airtel

Actualités

21-nov-2023

ESPACE DERA TSIADANA

May kila forehitra tanteraka

Sample post image

Nitrangana haintrano tetsy amin’ny toerana fandraisan-danonana sy fivoriana tetsy amin’ny Espace Dera Tsiadana

21-nov-2023

omaly Alatsinainy 20 Novambra tokony ho tamin’ny 12 ora sy 41 minitra. Raha araka ny loharanom-baovao azo dia vokatry ny akoson’aratra na « court-circuit » izay niainga taon-dakozia no nahatonga ny loza. Nihitatra tany amin’ny efitra hafa maromaro izany ka saika tapitra may avokoa ireo entana sy fitaovana rehetra tao an-trano. Fiara lehibe miisa 4 sy « camion citerne » iray an’ny sampana mpamonjy voina no nampiasaina namonoana ny afo nandritra izany, izay naharitra adin’ny roa sy sasany teo. Na izany aza tsy nisy ny naratra na ny aina nafoy. Nambaran’ny teo anivon’ny sampana mpamonjy voina moa fa tokony hitandrina hatrany ny rehefa manoloana ireo tranga mety hiteraka haintrano na dia ao anatin’ny fotoam-pahavaratra aza isika. Masiaka sy mahery hatrany mantsy ny afo rehefa sendra ny trano na fitaovana mety aminy ary mety tsy ho voafehy haingana izany raha tsy hampiasaina fiara lehibe maromaro mihitsy. Volabe no teti-bidin’ireo entana may hoy hatrany ny vaovao.
Pati
Legende : Niredareda tahaka izao ny afo !

 

Dans la même rubrique

03-juil-2025

Mbola nitohy omaly ny olan’ny famatsiana solika teto Antananarivo sy ny toerana maro.

Card image cap
03-juil-2025

Tsy nisy ny fankalazana ny fetim-pirenena na ny datin’ny 26 jona tao amin’ny

Card image cap
03-juil-2025

Hanomboka amin'ny Sabotsy 05 Jolay ho avy izao ny tetiandro ho

Card image cap
03-juil-2025

Raim-pianakaviana tokony ho 35 taona nitrandraka volamena

Card image cap
03-juil-2025

Hiala ao amin’ny Espace MG By Pass Ambohimangakely anio amin’ny 8 ora

Card image cap
02-juil-2025

Roa andro aty aorian’ny dinika iombonana momba ireo Nosy Malagasy natao tany Frantsa

Card image cap