maraina ny nofo mangatsiakan’i Tahiry Sambehafa David, filoha mpanorina ny fikambanana Mada Omby, izay nodimandry ny 1 jolay teo rehefa niharan’ny lozam-pifamoivoizana mahatsiravina teo amin’iny lalam-pirenena faha 4 na RN 4 iny. Ny marimarina kokoa teo Ambatolampy hihazo an’Antsirabe, raha tsiahivina. Hiainga ho any Tsiroanomandidy ny razana, raha ny fandaharam-potoana voaray, ary andrasana ao amin’ny tranony Lot 2 AP 85 Bis Amparikambana mialohan’ny hanafenana azy any Behabobo Beloha Androy. Nahafantarana azy fahavelony moa ny tolony momba ny fihariana sy fandraharahana momba ny omby hatramin’ny fitondràna Rajaonarimampianina. Isan’ireo voaresaka matetika ho niharan’ny antsojay ihany koa ity fikambanana notarihiny ity saingy tsy nihemotra ny lehilahy nanoloana ny sedra rehetra niseho, raha ny fanazavàn’ireo namany. 34 taona i Tahiry Sambehafa David, fantatry ny maro amin’ny hoe Tahiry Sambehafa, no izao nodimandry izao ary namela mpitondra tena sy zanaka iray. Mirary fiononana hatrany ho an’ny fianakaviana isika eto amin’ny gazety Tia tanindrazana.
Nangonin’i J. Mirija
Tsy tena tsapa ilay fanovàna ! Apetrao ny satan'ny tetezamita fanavaozana !"