airtel

Actualités

29-janv-2024

FAHA-100 TAONAN’NY TILY MADAGASIKARA

Hanefy ny mponina Malagasy mba ho avin’ny firenena

Sample post image

Mankalaza ny faha-100 taona nijoroany ny Tily eto Madagasikara.

29-janv-2024

Fotoam-pivavahana lehibe notronin’ireo manam-pahefana isan-tsokajiny no nentiny nanokafana izany tetsy amin’ny lapan’ny kolontsaina sy ny fanatanjahantena etsy Mahamasina ny faran’ny herinandro teo. Ny fanabeazana Tily dia miainga avy ao anaty raha araka ny fanazavan’ny tompon’andraikitra, miaina ary mankato ny soa toaviana marobe izay harafitry ny lalana sy ny fenekena Tily. Ezaka goavana araka izany no hotanterahin’izy ireo amin’ity taona ity ka ho an’ny tsangambato manokana dia tsy foto-drafitrasa no hatsangan’izy ireo fa olona. Amin’ny alalan’ny fanamafisana orina ny soa toavina ny zaza Malagasy no hanatanterahany izany izay miainga eny amin’ny garabola ka hatreny amin’ny anjerimanontolo. Lohalaharana amin’ireny ny fanajana ny Ray aman-dReny, ny fanajana sy ny fiarovana tontolo iainana, ny fanajana olona, ny fahaiza- miaina, ny fahaiza-misaotra…. Azo hatao tsara ny manefy ny mponina Malagasy ho tena ho avin’ny firenena hoy hatrany izy ireo. Ankoatra izay dia hanatanteraka lasy lehibe hatao eny amin’ny kaominina ambanivohitra Fihaonana izy ireo ny datin’ny 01ka hatramin’ny 05 Aogositra ho avy izao. Vinavinaina ho 10.000 isa ny Tily hiasa amin’izany izay hangatahin’izy ireo tolo-tanana sy fanampiana avy amin’ny Fitondram-panjakana. Tsiahivina moa fa efa an’hetsiny ny isan’ireo Tily manerana ny Nosy amin’izao raha 20.000 isa kosa ireo am-perin’asa. Olo-manga maro no efa navoakany toy ny Profesora Ratsimamanga, ny mpanoratra Georges Andriamanantena…
Pati
Legende : Mijoro hanampy ny mpiara-belona hatrany ny Tily eto Madagasikara !
 

Dans la même rubrique

16-mai-2024

mpitondra mahalala ny filàm-bahoaka sy tena laharampahamehana, vahoaka tsy sakana fa hery,

Card image cap
16-mai-2024

Raikely iray indray no voamarina fa nanolana ny zana-badiny vao 13 taona,

Card image cap
15-mai-2024

Mivoatra ny raharaha ady tany ao Amboanara, fokontany Batterie, Kaominina Hell-Ville Nosy Be,

Card image cap
15-mai-2024

Anisan’ireo teboka nitondran’ny eglizy katolika ny fijeriny ny lalàna momba ny famosirana ireo

Card image cap
15-mai-2024

Tanteraka eto ny tena fampiroboroboana ny indostria ety ifotony,

Card image cap
15-mai-2024

Nodimandry teo amin’ny faha-51 taonany androany 14 mey 2024 ny Tale Jeneralin’ny ARAI

Card image cap