andron’ny 24 desambra teo. Niverina nandray anjara tamin’ny fanolorana ireo fandaharana natolony fahizany indray toy ny fandaharana ara-panatanjahantena “Kianja” ry Bruno Razafindrakoto sy ry Jacquot Raholdina. Ny tonian-dahatsoratra tany am-piandohana, Jean Claude Andrianaivo, sy ny mpanao gazety nanolotra vaovao voalohany tamin’izany fotoana, Liliane Andriambololona, no niara-nanolotra ny vaovao an-tsary takariva nanomboka tamin’ny 7 ora sasany. Naverina nojerena koa ny andiany faha 119, tapany voalohany, tamin’ilay andian-tantara neverina ho be mpanaraka indrindra tany amin’ny faraparan’ny taona 1990 tany izay mitondra ny lohateny hoe “Marimar”. Ireo sarimihetsika mifandraika amin’ny fetin’ny noely toy ny “Maman j’ai raté l’avion” koa no narahana ny tolakandro. Namarana ny tontolo andro moa ny fampahatsiahivana ara-tantara mihitsy ny nolalovan’ity televizionina ity rehetra ho fanamarihana izao faha 55 taonan’ny televizionim-pirenena izao, izany hoe 1967-2022.
J. Mirija
Tafiditra ao anatin’ny Travel Green List 2025 navoakan’ny Wanderlust Travel Magazine i Madagasikara.
Homarihina amin’ny 26 Jona ho avy izao ny faha-65 taona nahazoantsika ny Fahaleovantena.
Fivarotan-kazo iray no niantombohan’ny afo, niitatra tamin’ny trano lehibe roa sy trano hafa.
Nampalahelo sady nampivarahontsana ny zava-nitranga tao Toamasina omaly.
Nangotraka ny fahatezeram-bahoaka teto Antananarivo ny herinandro lasa teo,
Tsy misy izay tsy mitaraina sy mimenomenona ny amin’ny fanapahan-kevitry ny