amina faritra miisa 5 ankehitriny. Mety samy manana ny fomba fijeriny izy ireo eo amin’ny resa-politika saingy amin’ny ankapobeny dia mahay mifanampy sy mifanohana antony hananganan’izy ireo toeram-pitsaboana manokana. Nivoitra izany omaly Alatsinainy 12 Aogositra nandritra ny fampahafantarana ny fankalazan’izy ireo ny faha-60 taona nijoroan’ity Cite iray eto an-drenivohitra ity izay tsiahivina fa niorina tamin’ny taona 1964. Efa nisy ny hetsika nentina nanamarihana izany tamin’ny datin’ny 25 Jona lasa teo raha araka ny fanazavan-dRambelomanana sefom-pokontany. Efa nisy ihany koa ny didim-poitra faobe notanterahina. Mbola hitohy amin’ny lalao ara-panatanjahantena izany ny datin’ny 15 Aogositra ho avy izao arahin’ny fiaraha-mitsangatsangana tanterahin’ny mponina. Mirefy 64 ha moa ny Cite Ampefiloha iray manontolo raha tsiahivina. Anisan’ny Cite naorin’ny fanjakana tahaka azy ihany koa ny Cite 67 ha, Analamahitsy ary Ambohipo.
Pati
Legende : Nandritra ny tafa ho an’ny mpanao gazety nokarakarain’izy ireo omaly !
Tafiditra ao anatin’ny Travel Green List 2025 navoakan’ny Wanderlust Travel Magazine i Madagasikara.
Homarihina amin’ny 26 Jona ho avy izao ny faha-65 taona nahazoantsika ny Fahaleovantena.
Fivarotan-kazo iray no niantombohan’ny afo, niitatra tamin’ny trano lehibe roa sy trano hafa.
Nampalahelo sady nampivarahontsana ny zava-nitranga tao Toamasina omaly.
Nangotraka ny fahatezeram-bahoaka teto Antananarivo ny herinandro lasa teo,
Tsy misy izay tsy mitaraina sy mimenomenona ny amin’ny fanapahan-kevitry ny