airtel

Actualités

07-juil-2026

Fahamaizan'ny Câble an'ny Afripower

Misy fahatapahan-jiro mifandimby 3 andro

Sample post image

Nitrangana fahamaizana "câble alternateur"

07-juil-2026

indray amin'ny milina mpihary herinaratra G2 an'ny Afripower Mandroseza (Symbion teo aloha) ka miteraka fahabangan'ny vokatra tsinjaraina eto amin'ny tambazotra Iraisan'Antananarivo, indrindra amin'ny ora mahabe ny filàna herinaratra ny hariva. Ao anatin'ny fanamboarana io milina io ireo teknisiana ary vinavinaina ho vita ato anatin'ny hateloana izany, hoy ny seraseran'io Jirama. Hampihatra fahatapahan-jiro mifandimby arak'izany ny JIRAMA, ato anatin'ny telo andro, manomboka amin'ny 5 ora sy sasany hariva ary haharitra ora iray isaky ny fahatapahana. Omaly, ireo zotra ARIVO - MTO sy ZIO, izay mamatsy toerana an-jatony nampiharana izany ny ny 17h30-18h30; 18:30-19h30; 19h30-20h30. Somary sesilany ny olana amin'ny famatsiana herinaratra tato ho ato, toy ny eto Antananarivo, Antsiranana,... Isika anefa miditra amin'ny main-tany, izay midika fa mila hamafisina ny fikojakojana. Ny herinandro teo moa no naneho ny Afripower fa misy fikojakojana lehibe entina hiatrehana ny main-tany.
Toky R
 

Dans la même rubrique

03-sept-2026

Namonjy ny volany 100 000Ar, kinanjo natelin’ny rano i Dety

Card image cap
02-sept-2026

10 taona asa an-terivozona an-tranomaizina !

Card image cap
02-sept-2026

an'i Madagasikara amin'ny bisikileta

Card image cap