airtel

Actualités

04-août-2026

Fahamaizana

goavan’ny Bazary kely

Sample post image

Nanolotra vary 5 taonina sy kojakoja ny SPAT

04-août-2026

Taorian’ny hain-trano nitranga tao amin'ny Bazarikely Toamasina, izay nahakasika toeram-pivarotana manodidina ny 3 500 isa dia naneho ny firaisankinany amin’ireo traboina ny SPAT na ny Société du Port à Gestion Autonome de Toamasina. Nisy ny fanolorana fanampiana ahitana vary 5 taonina sy entana ilaina amin'ny fiainana andavanandro toy ny menaka sy savony, ho fanamaivanana ny fahasahiranana hatrehan’ireo traboina. Ity fandraisana andraikitra ity dia maneho ny fahavononan’ny Orinasa handray anjara amin’ny ezaka iarahana manoloana ny toe-javatra maika toy izao no sady hanohanana ireo mponina traboina. Manamafy hatrany ny fanoloran-tenany hiara-hiasa amin’ireo tompon’andraikitra sy ireo mpiara-miombon’antoka ny SPAT, ho fanohanana ny mpiara-belona sy ny fiaraha-monina manodidina azy. Mikasika olona iray maty tao anaty toeram-pivarotana moa dia fantatra fa mpiandry tsena izy io. Fanontelon'ny fahamaizana nihatra tamin'ny Bazarikely ao Toamasina ity tranga ity nanomboka tamin'ny taona 2019 koa manao antso avo amin'ny mpitondra fanjakana ny mponina mba handray fepetra hentitra.
Pati
Légende : Ireo fanampiana natolotra !
 

Dans la même rubrique

11-août-2026

Miha milentika i Marie Michelle, 5 hafa nidoboka

Card image cap
11-août-2026

Marc Dillard, diplaomaty efa za-draharaha

Card image cap
11-août-2026

maty nianjeran'ny tamboho

Card image cap
11-août-2026

mponina ireo mpivarotra manodidina

Card image cap
10-août-2026

Firenena handresena ny haizina

Card image cap