airtel

Actualités

10-févr-2026

Fahamaizana hafahafa

tao amin’ny Minisiteran’ny atitany

Sample post image

Ny servisy momba ny fitaovam-piadiana no tena lasibatra

10-févr-2026

Tranga lehibe isan’ny nanaitra ary misy lanjany lehibe amin’ny fiainam-pirenena sy ny raharaham-pirenena ny fahamaizana tao amin’ny Minisiteran’ny atitany sy ny fitsinaram-pahefana ny sabotsy 07 febroary 2026 lasa teo amin’ny maha minisitera stratejika azy io. Araka ny fanampim-baovao, tao amin'ny birao misy serivisy momba ny "gestion de l’armement et sécurité » no nisy fahamaizana teny Anosy. Birao 4 no tena may kila raha birao 10 no indray voakasiky ny afo tany amin'ny rihana faha, raha ny fanazavana efa nentin’ny Minisitra Rakotonandrasana Velonjara. Tsy nisy noraisina ireo fitaovam-piasana sy taratasim-panjakana tao anatiny, raha ny filazan’ity minisitra ity hatrany. Raha ny fampitana avy amin'ny JIRAMA dia tsy fahatomombana teo amin'ny herinaratra no nahatonga fahamaizana. Manohy ny fanadihadiana ihany koa ny polisim-pirenena. Eo ny filazana fa noho ny herinaratra saingy mbola mitoetra sy mipetraka ihany ny fanontaniana hoe tena izay tokoa ve ? Sao sanatria misy ambadika hafa ? Vao mainka mantsy manaitra sy mampiahiahy ny hoe ny birao misy ny fitantanana momba ny fitaovam-piadiana sy ny filaminana. Sao sanatria misy ambadika mifandrohy amin’ny mety ho fikasana hanao fanakorontanana ara-politika misoko any ambadika any ?
Toky R
 

Dans la même rubrique

17-avril-2026

Nofoanana tamin’ny taona 1973

Card image cap
17-avril-2026

Tsy mampandeha amin’ny laoniny ny fanavaozana ny tsy fandriampahalemana»

Card image cap
17-avril-2026

fifamonoana sy fifanimbàna»

Card image cap
17-avril-2026

ivelany mafy tsy voafehintsika»

Card image cap
17-avril-2026

hanaraha-maso ireo faritra arovana

Card image cap
17-avril-2026

hahazo tombony amin’ny tetikasa D-CLIC

Card image cap