airtel

Actualités

09-janv-2025

Fahapotehan’ny ala, doro tanety, doro ala…

«Tomponandraikitra indrindra ireo minisitry ny tontolo iainana»

Sample post image

Manoloana ny fahapotehan’ny tontolo iainana izay miteraka fiovaovan’ny toetr’andro sy mety hisy fiantraikany

09-janv-2025

mivantana amin’ny fahasalamana ary ny fiainana an-davanandron’ny malagasy dia manainga ny sain’ny rehetra izahay ny amin’ny maha zava-dehibe ny fiarovana ny harena voajanahary sy ny tontolo iainana, hoy ny antoko politika Hasin'olombelona sy ny Ekolojia na HE Mada. Sarotra aminay, hoy izy ireo, ny hitazam-potsiny amin'izao fahasimban'ny ala izay antokin'ny fahaveloman'ny olombelona izao na amin'ny lafiny ara-tontolo iainana na amin'ny sehatra ara-ekonomika. Miantoka ny fahadiovan'ny tontolo iainana ny ala nefa ihany koa mamelona ireo sehatra maro be tahaka ny fizahantany, izay mitàna anjara toerana lehibe amin'ny toekarena malagasy. Tsy azo lavina fa ny fahapotehana miseho dia vokatry ny nataon’ny olombelona ihany koa toy ny fahapotehan'ny ala noho ny fitrandrahana tsy ara-dalàna, doro tanety sy doro ala, tsy fifandanjan'ny ala potika na potehina sy ny fambolena ala vaovao. Raisinay ho tomponandraikitra voalohany ireo mpitondra nifandimby, indrindra ireo minisitry ny tontolo iainana sy ny rantsa-mangaika eo ambany fifehezany, ny ben'ny tanana samihafa. Asanareo ny miaro sy mitahiry ny tontolo iainana. Asanareo ihany koa ny mamerina amin’ny laoniny ireo ala potika vokatry ny tsy fandraisanareo andraikitra. Manentana ny fiaraha-mientan’ireo rantsa-mangaika rehetra voakasika toy ny fanjakàna, ny fiarahamonim-pirenena, ny sekoly rehetra na miankina na tsy miankina amin’ny fanjakana, ny sehatra fanabeazana toy ny skotisma. Atolotray ireto sosokevitra manaraka ireto ho famahana ny olana; ampitomboina ny hazo volena ary arahi-maso akaiky ny fahavelomany fa tsy ho an’ny fakàna sary fotsiny. Hamoronana asa hiarovana ny ala ho an’ny tanora, indrindra amin’ireo faritra marefo amin’ny fahapotehana. Hamafisina ny hetsika ifarimbonana eo amin’ny fanjakana sy ny fiarahamonim-pirenena mba hanentanana ny olona hiaro ny tontolo iainana, hoy hatrany ity antoko politika mifantoka amin’ny tontolo iainana ity.
J. Mirija

 

Dans la même rubrique

12-juin-2025

Na ny ao amin’ny JIRAMA aza izao izany dia milaza fa hatramin’ny faran’ny taona

Card image cap
12-juin-2025

Manamafy avo roa heny ny fahamailoana ny SAMIFIN izay sampan-draharaha misahana

Card image cap
12-juin-2025

Lany teny anivon'ny Antenimieram-pirenena ny tolo-dalàna miaro manokana ireo varira

Card image cap
12-juin-2025

Hilatsaka hatramin'ny 3°C ny marimpana ambany indrindra ao Antsirabe

Card image cap
11-juin-2025

Fotoana izao anovana ny rafitry ny angovo eto Madagasikara, hoy ny mpandinika fiainam-pirenena,

Card image cap
11-juin-2025

Mitohy ny fandromban'ny mpijirika ny harem-pirenena Malagasy.

Card image cap