airtel

Actualités

08-mars-2022

Actualités

Fahasimban’ny sosona ozonina Miha mihena ny tandavan’ala atsinanana

Sample post image

Misy valanjavaboary any amin’ny tandavan’ala atsinanan’i Madagasikara ankehitriny iandraiketan’ny sampandraharahan’ny firenena mikambana na UNESCO,

08-mars-2022

 hoy ny sekretera jeneralin’ity rafitra ity eto amintsika, Manda Ravelojaona. Miha mihena na “en péril” izy io ankehitriny, hoy izy. Eo ihany koa ny any andrefana izay efa ao anatin’ny fanaovana ny taratasy sy famatsiam-bola nahafahana nanao ny fanadihadiana rehetra mba hampidirana azy ho vakoka hahafahantsika miaro ny tontolo iainana sy mivelona miaraka amin’ny zavaboary. Misy ny fandaharan’asa antsoina hoe “décarbonisés” izay ijerena ny fomba hanenana ny entona manimba sosona ozonina. Ekena fa tsy azo ihodivirana ny fahasimban’ny sosona ozonina satria sarotra ny mamerina an’io rehefa potika. Azo atao kosa anefa ny manalava ny fotoana tsy hiharan’ny fiantraikany mafy aty amintsika. Raha anaty 1000 taona no misy fiakarana 1 dégré dia vitan’ny zanak’olombelona no miatrika izany. Fa raha toa kosa anaty 10 taona no hiakatra 10 dégré ny hafanana, sarotra ho antsika ny hiatrika an’izany. Izany no antony hametrahana ny fototra rehetra amin’ny alalan’ity fandaharan’asa ity hoe eto no hahafahantsika manalavitra ny fiakaran’ny hafanana, hoy hatrany ny fanazavana.

J. Mirija

 

Dans la même rubrique

30-mai-2025

dia anisany ny angovo sy herinaratra, saingy mbola mitoetra ho tsizarizary ny fisitrahan’ny

Card image cap
30-mai-2025

Tsy misy tsy mikolay amin’ny faharatsian’ny tolotra mikasika ny angovo sy herinaratra eto Madagasikara,

Card image cap
30-mai-2025

Nisy ny firehetana tamina fivarotan-kazo iray teny Tsarahonenana ny 27 may teo,

Card image cap
30-mai-2025

Tena mampitaraina mpanjifa maro ny fotoana lany amin'ny fandoavana ny vidin-jiron'ny JIRAMA

Card image cap
30-mai-2025

Rongony 42 kitapo no tratran'ny Polisim-pirenena tao Ihosy,

Card image cap
30-mai-2025

Ny 28 may vao notontosaina tetsy amin’ny zaridainan’Antaninarenina ny fankalazàna ny

Card image cap