airtel

Actualités

15-janv-2024

Fahatapahan’ny aterineto

Fahasahiranana mananontanona

Sample post image

Mitady ho fahasahiranana mananontanona ankoatran’ny olan’ny

15-janv-2024

herinaratra sy rano koa ankehitriny ity fahatapahan’ny aterineto ity. Nampikaikaika indray izany ny faran’ny herinandro teo. Ireo mivelona amin’ny fampanofana azy io na irony Cybercafé irony moa no isan’ny tena velon-taraina manoloana ity toe-draharaha izay efa nanaovana antsoavo matetika ireo tomponandraikitra tokony handray fepetra mikasika izany ity. Eo ihany koa anefa ireo miasa amin’ny alalan’ny fifandraisan-davitra any an-tokantrano na itony antsoina hoe “télétravail” itony. Maro ireo fihariana potika rehefa tapaka ny rano sy herinaratra ary tafiditra ao anatin’izany itony karazam-pihariana voalaza teo itony. Mainka moa izany fa mbola hiampy an’izay tsy fahatomombanana eo amin’ny lafiny famatsiana aterineto izay dia asa fotsiny angamba, hoy ny fitenenana.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

16-mai-2024

mpitondra mahalala ny filàm-bahoaka sy tena laharampahamehana, vahoaka tsy sakana fa hery,

Card image cap
16-mai-2024

Raikely iray indray no voamarina fa nanolana ny zana-badiny vao 13 taona,

Card image cap
15-mai-2024

Mivoatra ny raharaha ady tany ao Amboanara, fokontany Batterie, Kaominina Hell-Ville Nosy Be,

Card image cap
15-mai-2024

Anisan’ireo teboka nitondran’ny eglizy katolika ny fijeriny ny lalàna momba ny famosirana ireo

Card image cap
15-mai-2024

Tanteraka eto ny tena fampiroboroboana ny indostria ety ifotony,

Card image cap
15-mai-2024

Nodimandry teo amin’ny faha-51 taonany androany 14 mey 2024 ny Tale Jeneralin’ny ARAI

Card image cap