Niaraka taminy ny tomponandraikitry ny Jirama, hoy ny fampitam-baovao voaray. Nisy ezaka natao, hoy ity minisitra ity, mikasika ny lamina amin’ny fitsinjarana herinaratra. Hita ho mihena ny fahatapahan’ny herinaratra amin’ireo vohitra. Ho an’ireo orinasa koa dia tsikaritra izany. Nisy ny fiaraha-miasa tamin’ny Enelec. Milina miisa 11 amin’ireo 13 nifanarahana no efa mandeha. Nanome baiko ny orinasa Jirama ny tenako mikasika ny fifanarahana amin’ny orinasa Enelec mba hamerina hanara-maso ireo fitaovana mandeha ahafantarana ny tena tanjany. Arakarak’izay tanjaka izay no hamaritana ny tena tokony ho fifanarahana. Hiezaka hifanatona handinika izany ny 2 tonta. Ampirisihina ireo orinasa hampiakatra ny taham-pamokarana herinaratra satria ny eto Toamasina fotsiny izao dia misy mangataka 5 Megawatt tombony. Ny orinasa mpanao simenitra mangataka 10 Megawatt. Renivohitry ny toekaren’I Madagasikara I Toamasina. Tsy misy delestazy intsony eto Toamasina fa ny fikojakojana herinaratra tsy maintsy atao isaky ny zoma no anton’ny fahatapahana. Eo ny fanapahana hazo amin’ireo toerana hitsinjarana herinaratra izay tsy maintsy hanaovana izany mba tsy hisian’ny sanatriavina hoe mpiasan’ny JIRAMA ho main’ny herinaratra eny ambony eny. Ampy ny vokatra hatreto fa tsy maintsy jerena miaraka amin’ireo mpiara-miombon’antoka ny mikasika ny masonkarenan’ny JIRAMA, hoy hatrany ny nambaran’ity minisitra ity.
J. Mirija
Mihamafy ny krizy ara-tsosialy amin’ny endriny maro : delestazy, fidangan’ny vidim-piainana,
Nolanian'ireo Solombavambahoaka tetsy amin'ny Antenimierampirenena Tsimbazaza omaly
Misy olom-panjakana mitsivalana, manaitra ny PRM sy PM » Henjana ny fifanolanana
An-taonany maro ny olan’ny rano etsy Andravoahangy, saingy tsy tena mbola mitoetra hatramin’izao.
Vehivavy iray 56 taona no sady tsara tarehy fantatra amin’ny anarana hoe :
Sahirana sy mikorapaka amin’ny tetikasa Base Toliara ny Fanjakana Rajoelina,