airtel

Actualités

07-févr-2025

Fahataperan’ny fanohanana toy ny an’ny USAID

Maty eto raha tsy mametraka lasitra ara-toekerana tsy miakin-doha

Sample post image

Ireo fikambanana, ONG ary mpiara-miombon'antoka rehetra nisitraka famatsiam-bola

07-févr-2025

avy amin'ny USAID eto Madagasikara dia efa nahazo fampandrenesana tamin’ny alalan’ny mailaka na « e-mail » manambara ny fahataperan'ny tetikasa, raha ny vaovao mivoaka avy amin’io sampan-draharaha io. Vokatry ny fanapahan-kevitra noraisin'ny filoha amerikana Donald Trump, nanajanona ny fanampiana rehetra avy amin'ny vahoaka amerikana maneran-tany, ka Firenena manodidina ny 120 no mizaka ny vokatr’izany. Ho an’i Madagasikara, efa 37 taona no niaraha-niasa tamin'ny USAID, ka sehatra maro no nisitraka izany. Tamin'ny taona 2020, ohatra, dia nitentina 133,5 tapitrisa dolara ny fanampiana azon'i Madagasikara, ka 74,5 tapitrisa dolara tamin’izany natokana ho an’ny sehatry ny fahasalamana. Tafakatra 179 tapitrisa dolara indray izany tamin'ny taona 2021. Nanomboka tamin’ny 2015, dia nisy fanampiana vonjy maika sy fampandrosoana natokana ho an’ny faritra atsimo sy atsimo atsinanana, izay nitentina 236 tapitrisa dolara. Tamin’ny fanampiana azo, nahatratra Malagasy 1,5 tapitrisa no nahazo tohana tamin’ny fiatrehana ny hain-tany tany Atsimo. Tamin’ny sehatry ny fahasalamana kosa, tamin’ny taona 2020, dia olona 1,2 tapitrisa no voaaro tamin’ny tazomoka noho ny famendrahana ranom-panafody sy fizarana odimoka. Ankizy latsaky ny dimy taona miisa 464 195 no nahazo sakafo fanampiny, ary olona 202 319 no nisitraka fotodrafitrasa fidiovana sy fanadiovana. Ankoatra izany, nanomboka tamin’ny taona 2013, dia nampiasa vola hatrany amin’ny 56 tapitrisa dolara ny USAID amin’ny ady amin’ny fanondranana sy fitrandrahana tsy ara-dalàna biby sy hazo sarobidy. Tafiditra amin’izany ihany koa ny fitantanana ny harena voajanahary, ny fanatsarana ny fitantanana ireo faritra arovana an-tanety sy an-dranomasina, ary ny fiaraha-miasa amin’ny sehatra tsy miankina ho an’ny tombontsoan’ny mponina eny ifotony. Henjana ny ho fiantraikan’ny fahataperan’ny USAID ho an’i Madagasikara, kanefa ireo rafitra hafa toy ny AFD (Agence Française de Developpement) dia mety hampihena ny fampiasam-bolany ihany koa raha ny tsio-drivotra mandeha. Ny azo antoka anefa, tsy mbola manana vahaolana hiatrehana ny fahabangana goavana aterak’ireny ny Fanjakana Rajoelina, eny fa na ny tetibolam-panjakana hiasana aza manjavozavo mazava ho azy noho ny fiovana goavana. Fotoana izao tokony hametrahana lamina sy rafitra ara-toekerana tena mahaleotena, hametrahana Fanjakana tsara tantana ka hanomezana lanja ireo harenantsika ho fanohitra ara-toekerana. « Ny ho avy sy ny fandrosoana dia tsy eo am-pelantanan’ny fanatontoloana fa ho an’ny mahaleotena sy tia tanindrazana », hoy ny Filoham-pirenena Amerikanina Donald Trump.
Toky R

 

 


 

Dans la même rubrique

30-mai-2025

dia anisany ny angovo sy herinaratra, saingy mbola mitoetra ho tsizarizary ny fisitrahan’ny

Card image cap
30-mai-2025

Tsy misy tsy mikolay amin’ny faharatsian’ny tolotra mikasika ny angovo sy herinaratra eto Madagasikara,

Card image cap
30-mai-2025

Nisy ny firehetana tamina fivarotan-kazo iray teny Tsarahonenana ny 27 may teo,

Card image cap
30-mai-2025

Tena mampitaraina mpanjifa maro ny fotoana lany amin'ny fandoavana ny vidin-jiron'ny JIRAMA

Card image cap
30-mai-2025

Rongony 42 kitapo no tratran'ny Polisim-pirenena tao Ihosy,

Card image cap
30-mai-2025

Ny 28 may vao notontosaina tetsy amin’ny zaridainan’Antaninarenina ny fankalazàna ny

Card image cap