airtel

Actualités

28-juin-2022

Actualités

Fahatezerana diso tafahoatra Notsatohany antsy ho faty ilay vadiny nahabevohoka olon-kafa

Sample post image

Lehilahy iray, 26 taona, no fantatra fa maty novonoim-badiny ny alin’ny alahady 26 jona tany amin’ny distrikan’i Mananjary.

28-juin-2022

Mpivady ara-pomban-drazana efa nandritra ny 06 taona izy ireo. Fototry ny fifamaliana teo amin’izy roa matetika ny tsy fananan’izy ireo zanaka mandrak’ankehitriny. Niara-nisotrosotro tamina toeram-pisotroana iray tao Mananjary izy mivady ny alin’ny fankalazana io fetim-pirenena 26 Jona io. Tokony ho tamin’ny 10 ora alina no raikitra indray ny fifamaliana teo amin’izy ireo rehefa nahafantatra ravehivavy fa naha bevohoka tovovavy iray hafa ilay lehilahy vadiny. Tao anatin’ny hamamoana sy hatezerana no nanindronan-dravehivavy antsy ny tendan’ilay vadiny. Maty tsy tra-drano ilay lehilahy vokatr’izany. Ilay vehivavy nahavanon-doza kosa efa nosamborin’ny Polisy avy hatrany ka nentina nanaovana fanadihadiana eo anivon’ny CSPD Mananjary ary hiakatra fitsara tsy ho ela.
Nangonin’i Pati
Legende : Vitan’ity vehivavy ity ny namono ny vadiny noho ny hatezerany
 

Dans la même rubrique

25-avril-2024

Ahiana hisy rivo-doza hiforona hanakaiky an’i Madagasikara ato ho ato.

Card image cap
25-avril-2024

Nankatoavin'ny ny Filan-kevitry ny Minisitra omaly 24 aprily 2024 ny hanaovana lavanty

Card image cap
25-avril-2024

Vehivavy kely iray vao 29 taona antsoina hoe : Bezafy Armella omaly Alarobia 24 Aprily no fantatra fa maty

Card image cap
25-avril-2024

20 tapitrisa Ar be izao no saran’ny fampodiana ny vatana mangatsiakan’i Rasoarimalala Antoline,

Card image cap
25-avril-2024

Nampiana ny isan’ny polisy monisipaly sy ny mpamonjy voina hiasa eto Antananarivo renivohitra.

Card image cap
24-avril-2024

Anisan’ireo tazana tetsy Besarety tao anatin’ilay atrikasa nataon’ireo mpahay lalàna,

Card image cap