airtel

Actualités

29-juin-2022

Actualités

Fahaverezana volamena 36 kg Manjavozavo ny resaky ny praiminisitra

Sample post image

Efa tany amin’ny 6 taona lasa no nametrahana io “coffre” io, tany amin’ny taona 2016 tany ho any no efa very ireo volamena 36,433 kg ary tsy fantatra mazava hoe:

29-juin-2022

tena napetraka tao ve ny volamena sa tsia fa raha ny Fanjakana ankehitriny, dia efa naka fepetra hoe: tsy amin’ny toerana tahaka izao fa any amin’ny banky Foibe no hametrahana ny volamena, hoy ny fanehoan-kevitry ny Praiminisitra Ntsay Christian omaly mikasika ilay raharaha volamena 36,433 kg nanjavona nosoloina vy tao amin’ny Minisiteran’ny harena an-kibon’ny tany. Nampidirina tao marina ve sa tsia fa ny fanadihadiana no mamaritra izany, iza marina no voasaringotra,… hoy ny Praiminisitra izay marihina fa isan’ny nitantana io Minisitera io nandritra ny 8 volana (23 aogositra 2021-16 martsa 2022), nialoha azy dia Atoa Fidiniavo Ravokatra (24 janoary 2019-15 aogositra 2021) raha toa ka 3 andro monja ary tsy tafiditra birao akory aza i Brice Randrianasolo taorian’ny fanalana an’i Fidiniavo Ravokatra. Ny Minisitra Zafilahy Ying Vah no nitantana tamin’izany 2016 izany, tao anatin’ny Fitondrana Rajaonarimampianina. Isan’ireo nametraka fitoriana ny primatiora tamin’ny alalan’ny DLC (Direction de la Législation et du Contentieux). Tsara ny mampahatsiahy, fa nandritra ny fifamindram-pahefana teo amin’ny Tale Jeneralin’ny Minisiteran’ny harena an-kibon’ny tany sy ny vaovao ny teo aloha ny 01 jona 2022 teo no nahitana fa tsy tao ny volamena. Raha ny firesaky ny minisitry ny harena an-kibon’ny tany sy ny loharanon-karena stratejika ankehitriny Atoa Olivier Rakotomalala vao andro vitsy dia fanamarinana efa fanao na « inventaire systématique » mialohan’ny nandraisana ny fanalahidy noho ny fisian’ny fifamindram-pahefana sy fitantanana no natao ka nahitana fa tsy ny volamena intsony no tao fa karazam-by 22 kg. Dia tena hoe : nandray fanalahidy tsy nisy fanamarinana ve izany izay mpitantana nifanesy tao ? Tsy nisy fanamarinana ny fitanana an-tsoratra? Inona no nahafahana niteny fa tany ho any amin’ny 2016 no tsy hita ny volamena ary nahoana no izao vao fantatra izany? Tsy miaro ny Fanjakana teo aloha sanatria, ary raha tena nisy tokoa ny afera maloto tamin’izany dia tokony hizaka ny saziny izay tompon’antoka. Ny tsy azo lavina dia tamin’izao fitondrana Rajoelina izao no betsaka indrindra ny raharaha trafikana volamena tra-tehaka izay matetika efa any ivelany, ary izao indray dia misy an’io hoe: 36 kg nanjavona tao anaty minisitera io. Hivoaka ve ny marina sa ho vitavita ho azy hatrany ?
Toky R
 

Dans la même rubrique

28-mars-2024

Ankoatra ny tany Toamasina izay nolazaina fa misy olana ny fampifandraisana ny

Card image cap
28-mars-2024

Efa namono olona 6 (1Mananara Avaratra, 1 Vavatenina, 1 Toamasina II, 3 Maroantsetra)

Card image cap
28-mars-2024

Tovolahy iray mpianatra ho zandary ao amin’ny Sekolin'ny Zandarimariam-pirenena na ny EGNA Ambositra

Card image cap
28-mars-2024

Miharatsy hatrany ny fitrangan’ireo karazana fanolanana misy eto amintsika ankehitriny.

Card image cap
28-mars-2024

Ao anatin'ireo hetsika hatao manerana ny Nosy hanamarihana ny hetsi-pahatsiarovana ny 29 Marsa 1947,

Card image cap
27-mars-2024

Olana mandavan-taona! Mikorontana indray ny famokarana herinaratra

Card image cap