saingy mbola miverina sy mitohy ny fiforetana anatin’ny Malagasy noho ny fanjanahantany amin’ny endriny vaovao. Mandry an-driran’antsy eto an-tanindrazany, lasa tompony mangataka atiny amin’ny fananany, lasibatry ny tsindrihazolena,... Ny tanindrazana raha tsy lasan’ny vazaha, sinoa, karana,… dia betsaka trongisin’ny Fanjakana amboletra. Porofo mivaingana ireo fitakiana sy antso vonjy maro samihafa amin’ireo tetikasam-panjakana toy ny Tanamasoandro, Lac Iarivo, Autoroute,… izay hisiana vahoaka mijoro manoloana ny fakana ny taniny, manjavozavo aminy ny fanonenarana, mahatsiaro ho very fananana, very fialofana,… Ny Fanjakana heverina mba ho fialofany no zary minia mikipy sy mialokaloka ao anatin’ny hoe : ilain’ny Fanjakana ny tany ho an’ny tombotsoan’ny besinimaro na « "Expropriation pour cause d'utilité publique». Ekena fa anaty lalàna izany, zo sy fahefan’ny Fanjakana feno, saingy matoa ny vahoaka mijoro sy miaro ny fananany, dia tsy manana antoka amin’ny ho aviny, tsy manana antoka amin’ny fanonerana,... Mbola resaka hafa ny hoe : tena ho an’ny tombotsoan’ny daholobe ve ireo tetikasa sasany toy ny Tanamasoandro sy Lac Iarivo sa zary politikan’ny sehoseho ivelany ? Ny Autoroute ekena fa zava-dehibe ara-toekerana fa tsy midika fa trongisina maina ny vahoaka sy ny fananany. Tsy resaka fanoherana sy tsikera be fahatany fa zary lasa toerana misy toe-draharaha mafana sy fiotrehana fipoahana na « foyers de tensions » ny toerana misy ireo tetikasam-panjakana. Henjana izany fanotorana tanimbary 195ha amin'ny autoroute sy fakana tanin'olona 460ha ao Imeritsiatosika hanaovana Tanamasoandro izany raha tsy mazava tsara sy mahazo antoka ny vahoaka. Mampahatsiahy ny toe-draharaha mikasika ny teny Ambohitrimanjaka saingy mbola miverina ny fomba fiasa ? Mbola toe-javatra hafa miteraka horohoroho amin’ny vahoaka ny resaka fangorenan’ny vahiny tany na fifanarahana tsy mazava ifanaovan’izy ireo amin’ny Fanjakana. Anisan’ny niteraka ahiahy goavana ny toe-draharaha Nosy Mitsio any Nosy Be na teo aza ny fanambarana nataon’ny Minisiteran’ny fanajariana ny tany izay nilaza fa tsy misy fivarotana tany amin’ny Arabo. Tsy manala ny ahiahian’ny vahoaka ve ? Efa nisy ny endrika fampihorohoroana tamin’ny fisamborana olona tao Nosy Be sy Ambilobe. Resaka fiarovana tanim-bahoaka no isan’ny nanagadrana sy tsy namelana an’i Ninia Donia raha tsy maty ka izany no mbola hotohizana ? « Verezin-jo sy roahina amin’ny taniny ny vahoaka Malagasy mba hidiran’ny mpampiasa vola vahiny sy malagasy iray tombotsoa: endrika iray isehoan’izany ny fampanofana maharitra (bail emphytéotique) tsy ara-dalàna ny Nosy Sakatia mandritra ny 99 taona amin’ny orinasa Green Mada Land ary eo ambany fialofan’ny “projet présidentiel” no anaovana izany », hoy ny CRAAD-OI ny taona 2023. Ampahany ireny, saronana ao anatin’ny fampanofana maharitra na « bail emphytéotique » fa iza no mbola ho velona eto afaka 100 taona ? Adino ve fa fampanofana tany tamin’ny Koreanina no isan’ny natao fitaovana nanonganana an’i Marc Ravalomanana ?
Toky R
dia anisany ny angovo sy herinaratra, saingy mbola mitoetra ho tsizarizary ny fisitrahan’ny
Tsy misy tsy mikolay amin’ny faharatsian’ny tolotra mikasika ny angovo sy herinaratra eto Madagasikara,
Nisy ny firehetana tamina fivarotan-kazo iray teny Tsarahonenana ny 27 may teo,
Tena mampitaraina mpanjifa maro ny fotoana lany amin'ny fandoavana ny vidin-jiron'ny JIRAMA
Rongony 42 kitapo no tratran'ny Polisim-pirenena tao Ihosy,
Ny 28 may vao notontosaina tetsy amin’ny zaridainan’Antaninarenina ny fankalazàna ny