airtel

Actualités

25-juil-2024

Actualités

Fako efa mitobaka Mbola iniana aparitaka ihany!

Sample post image

Tsy hay mihitsy hoe inona izany no tena tiana ahatongavana manoloana ny tranga

25-juil-2024

rehetra eto amin’ity Antananarivo ity? Iny aloha ny filohan’ny delegasionina manokan’ny tanàna fa ombay mitady. Tsy hita hoe lasa aiza? Nametra-pialana tokoa ve? Sanatria nisy aretina nahazo azy ve ka nalefa nitsabo tena tsy an-kiteniteny any? Na inona na inona nitranga aloha dia naman’ny tsy misy mpitantana izany amin’izao fotoana izao ny renivohitr’i Gasikara. Mitokona ny SMA satria tsy azo ny volany. Miangona sy misavovona eraky ny tanàna ny fakobe. Fako efa mitobaka kanefa dia hita ho mbola iniana aparitaka ihany raha ny tsikaritra tamin’ireo toerana misy daba-pako eto Antananarivo hatramin’ny omaly. Izany no tena hoe fako eraky ny arabe, ara-bakiteny. Avaradoha, Ankorondrano, Andravoahangy, Mascar, 67ha, izay alehanao rehetra dia saika nahitana izany avokoa. Asa hoe iza no tiana gafiana ao anatin’izany dia inona no tombontsoan’ilay mpigafy? Raha sanatria hiparitaka ny aretina dia iaraha-mahalala nefa fa samy ho lasibatr’izany avokoa rehefa mponin’Antananarivo. Tsy ny resaka fako sy Antananarivo ihany moa no nahenoana resaka fifampisoparana toy izany fa farany teo izao dia voalaza ho hianjadian’izany ihany koa ny mpitantana vaovaon’ny orinasa JIRAMA. Tsy afaka ny hikatsaka tombontsoa iombonana intsony ve izany ity malagasy ity?
J. Mirija

 

Dans la même rubrique

30-mai-2025

dia anisany ny angovo sy herinaratra, saingy mbola mitoetra ho tsizarizary ny fisitrahan’ny

Card image cap
30-mai-2025

Tsy misy tsy mikolay amin’ny faharatsian’ny tolotra mikasika ny angovo sy herinaratra eto Madagasikara,

Card image cap
30-mai-2025

Nisy ny firehetana tamina fivarotan-kazo iray teny Tsarahonenana ny 27 may teo,

Card image cap
30-mai-2025

Tena mampitaraina mpanjifa maro ny fotoana lany amin'ny fandoavana ny vidin-jiron'ny JIRAMA

Card image cap
30-mai-2025

Rongony 42 kitapo no tratran'ny Polisim-pirenena tao Ihosy,

Card image cap
30-mai-2025

Ny 28 may vao notontosaina tetsy amin’ny zaridainan’Antaninarenina ny fankalazàna ny

Card image cap