airtel

Actualités

08-nov-2022

Actualités

Fakon’Andralanitra Haodina ho entona

Sample post image

Tontosa omaly ny soniam-piaraha-miasa Tontosa omaly 07 novambra 2022 ny fifanaovan-tsonia teo amin’ny SMA

08-nov-2022

Société Municipale d’Assainissement) sy ny orinasa APIS Solutions ary ny Kaominina Antananarivo renivohitra mikasika ny fametrahana ozinina voalohany «pilote» eny Andralanitra izay hamadika ny fako ho entona azo ampiasaina. Efa nandalo fandaniana vao tsy ela teo anivon’ny mpanolotsaina monisipaly ny mahakasika ny fanombohana ny fanodinana ny fako eto Antananarivo, raha ny fanamarihana. Hoentanina ny mponina sy ny mpandraharaha eto Antananarivo mba hanaraka ny lamina, toy ny fanajana ny ora fanariana fako, ny ezaka amin’ny fanasarahana ireo fako azo ahodina na tsia ary ny fanajana ny CMH (Code Municipale d’Hygiène) na ny lalàna monisipaly momba ny fikoloana ara-pahasalamana satria ny fako mety ho lo ihany no afaka avadika entona, hoy ny eo anivon’ny Kaominina. Nisy ihany koa moa ny fanamarihana nataon’ny Ben’ny tanàna Naina Andriantsitohaina tao anatin’ny fampitam-baovao nataony momba ity tetikasa ity, fa ny olan’ny fako eto olana dia olana efa nipetraka hatry ny ela satria mifampiankina amin’ny fitombon’ny mponina fa eo ihany koa ny amin'ny enti-manana eo amin’ny fiadidiana ny tanàna. Ny ezaka dia iaraha-manana ary iaraha-manao, ho an’Antananarivo tanànantsika, hoy io ben’ny tanàna io. Tsy vao izao no nisy ny fikotrehana ity tetikasa ity, ka irariana mba ho tanteraka amin’izay satria isan’ny tetikasa tena ilain’Antananarivo ny tahaka izao.
Toky R
 

Dans la même rubrique

28-mai-2025

Tafiditra ao anatin’ny Travel Green List 2025 navoakan’ny Wanderlust Travel Magazine i Madagasikara.

Card image cap
28-mai-2025

Homarihina amin’ny 26 Jona ho avy izao ny faha-65 taona nahazoantsika ny Fahaleovantena.

Card image cap
28-mai-2025

Fivarotan-kazo iray no niantombohan’ny afo, niitatra tamin’ny trano lehibe roa sy trano hafa.

Card image cap
28-mai-2025

Nampalahelo sady nampivarahontsana ny zava-nitranga tao Toamasina omaly.

Card image cap
27-mai-2025

Nangotraka ny fahatezeram-bahoaka teto Antananarivo ny herinandro lasa teo,

Card image cap
27-mai-2025

Tsy misy izay tsy mitaraina sy mimenomenona ny amin’ny fanapahan-kevitry ny

Card image cap