airtel

Actualités

09-oct-2024

Fakon’Antananarivo

Tena azo avadika vola raha misy ny finiavana

Sample post image

800 hatramin’ny 1600 taonina isan’andro ny fakon’Antananarivo izay isan’ny tena

09-oct-2024

olana fototra eto an-dRenivohitra. Indraindray aza lasa fako politika ka hatao izay fomba rehetra haharatsy ny mpitantana raha tsy iray loko politika amin’ny fiondrana, raha tsy hampahatsiahy afatsy ny 2015-2019 izay nifandroritana teo satria niankina tamin’ny Minisiteran’ny rano ny SAMVA. Na efa ben’ny tanàna na PDS niara-dia tamin’ny fitondrana aza no nitantana, dia mbola nitohy ny olana, ka rehefa akaiky fifidianana vao mandeha ny vahaolana vonjy tavanandro. Fandre matetika eto ny olan’ireo mpiasa eo anivon’ny SMA (Société Municipal d’Assainissement) izay tsy voaloa karama, ny kamio tsy ampy solika,… Tena tsy azo atao ve ny mamadika ny fako hivadika ho vola sy lasa zavatra miabo raha tsy hilaza afatsy ny famokarana herinaratra izay efa nandeha ny resaka sy ny tetikasa ambony latabatra maro samihafa saingy mbola tsy mety tanteraka aloha hatreto ? Tena sarotra be ve ny manodina ny fako ho lasa akora sy fitaovana hafa amin’ny alalan’ny fampiasana ireny « Usine de recyclage » samihafa fahita any ivelany ireny. Efa misy, ohatra, ny orinasa mampiasa sy mitrandraka ny fako plastika ho fitaovana samihafa toy ny fanamboarana trano amin’ny alalan’ireny « brique autobloquant », mety ho azo ampisaina amin’ny fanamboarana làlana, fanaka,… saingy tsy ampy sy tsy tena mivelatra eto amintsika. Manana manam-pahaizana sy injeniera maro isika eto Madagasikara izay azo ampiasaina sy tohanana amin’ny fikarohana mba hampivelatra, ary efa maro aza ireo efa nahavita fikarohana. Raha ny fikarohana tsotsotra, manodidina ny 50 000 hatramin’ny 6 000 000 euros ny vidin’ny ozinina iray hahafahana mamadika ny fako plastika ho lasa akora sy fitaovana azo ampiasaina, izany hoe : tena azo atao izany, raha misy ny fahaizana mijery ny tena laharam-pahamehana, fahaiza-mitantana, fijerena izay tena mahasoa ny vahoaka,…. Tsy ampahafirin’ny vidin’ny teleferika 151 tapitrisa euros izany, mbola latsaky ny vidin’ny rindram-baiko Prédator 14 tapitrisa euros nitsikikolana ny Malagasy, ampahafolo latsaky ny Raha raisina amin’io fotsiny, sady mihena ny fako, mihena ny fandotoana, miteraka famoronana asa sy fihariana vaovao,…
Toky R
 

Dans la même rubrique

30-mai-2025

dia anisany ny angovo sy herinaratra, saingy mbola mitoetra ho tsizarizary ny fisitrahan’ny

Card image cap
30-mai-2025

Tsy misy tsy mikolay amin’ny faharatsian’ny tolotra mikasika ny angovo sy herinaratra eto Madagasikara,

Card image cap
30-mai-2025

Nisy ny firehetana tamina fivarotan-kazo iray teny Tsarahonenana ny 27 may teo,

Card image cap
30-mai-2025

Tena mampitaraina mpanjifa maro ny fotoana lany amin'ny fandoavana ny vidin-jiron'ny JIRAMA

Card image cap
30-mai-2025

Rongony 42 kitapo no tratran'ny Polisim-pirenena tao Ihosy,

Card image cap
30-mai-2025

Ny 28 may vao notontosaina tetsy amin’ny zaridainan’Antaninarenina ny fankalazàna ny

Card image cap