andiany fahatelo amin’ny fandaharan’asa FEC (Facilité Elargie de Crédit) izay mampifamatotra an’i Madagasikara amin’ny Tahirimbola Iraisam-pirenena na ny FMI no miresaka an’io. Misy fepetra amin’ny alalan’ny fampahafantarana ny faktiora vita fitsirihana mazava na factures auditées ) ny fandoavana tsikelikely an’io, raha ny voalazan’ny Fanjakana ao anatin’ilay MPEF. Voalaza fa vonona handoa an’io Fanjakana, ankoatra ny fanampiana ara-bola na “subvention” efa nekena hanohanana ny fampihodinana ny Jirama. Mba tsy hampisavovona ny faktiora, nambara fa efa vonona ihany koa amin’ny famaranana ny fametrahana ireo “compteurs prepays” eny anivon’ny sampan-draharaham-panjakana ny Jirama hatramin’ny faran’ny taona.
SANGODIM-PANINA
Matetika toa mitady ho lasa sangodim-panina ity resaka Jirama ity. Ny mpamatsy vola mitaky ny hampihenana ny fanampiana ara-bola ny Jirama sy ny resaka tohana na “subvention” amin’ny vidin-tsolika mba tsy ho vesatra be ho an’ny Fanjakana ; Ny Fanjakana tsy mandoa ny faktiora tamin’ny fandaniany ny jiro sy ny herinaratry ny Jirama satria manao tohana isan-taona. Ny orinasan-tsolika vao tsy ela no voalaza fa nahatratra 1136 miliara Ar ny vola tsy naloany tamin’ny Fanjakana tamin’ny 2022 ary izao vao hoe: haverina ny fanefana azy.
Toky R
Tafiditra ao anatin’ny Travel Green List 2025 navoakan’ny Wanderlust Travel Magazine i Madagasikara.
Homarihina amin’ny 26 Jona ho avy izao ny faha-65 taona nahazoantsika ny Fahaleovantena.
Fivarotan-kazo iray no niantombohan’ny afo, niitatra tamin’ny trano lehibe roa sy trano hafa.
Nampalahelo sady nampivarahontsana ny zava-nitranga tao Toamasina omaly.
Nangotraka ny fahatezeram-bahoaka teto Antananarivo ny herinandro lasa teo,
Tsy misy izay tsy mitaraina sy mimenomenona ny amin’ny fanapahan-kevitry ny