airtel

Actualités

23-déc-2022

Actualités

Faktioran’ny Jirama Hiakatra 15% isan-taona…

Sample post image

Mahatratra 15% eo isan-taona ny salan’isan’ny fiakaran’ny faktioran’ny jirama, mifandraika amin’ny drafi-pamelomana ity orinasa ity.

23-déc-2022

Hampiakatra ny vidin’ny herinaratra izay manodidina ny 0,15 dolara/kilowattheure ankehitriny ho 0,22 dolara hatramin’ny taona 2025 io, raha ny voalazan’ny Tahirim-bola Iraisam-pirenena na ny FMI tao tamin’ny tatitra CMAP (Programme d’évaluation macroéconomique du climat). Na izany, nolazaina fa ho voatazona ny saran’ny herinaratra ho an’ny tokantrano marefo. Notaterin’ny FMI fa tsy mifanaraka ny vidin’ny herinaratra miainga amin’ny isan’ny mpanjifa mitaha amin’ny vola miditra avy aminy. Niakatra avo roa heny be izao ny saran’ny herinaratra amin’ny ankapobeny teo anelanelan’ny taona 2015 sy 2019, ka isan’ny antony ny fiakaran’ny fiankinan-doha amin’ny angovo azo avy amin’ny milina mandeha solika izay lafo dia lafo ary manampy trotraka ny tsy fahombiazana sy tsy fahatomombanana, raha ny tatitry ny FMI. Na nisy azan y fitazonana ny sarany, volabe no voatery nataon’ny Fanjakana nenti-natsentsina ny elanelana. Milaza ny FMI fa ny tsy fitakiana TVA (Taxes sur la valeur Ajoutée) amin’ny fandaniana ny 100kwh voalohany isam-bolana ho an’ny mpanjifa rehetra dia isan’ny loharanon’ny tsy fahombiazana tamin’ny lafiny saran’ny herinaratra. Nilaza ny FMI fa ny tsy fisian’ny fampiakarana ny saran’ny herinaratra, dia hitohy hatrany fatiantiantoky ny JIRAMA, ary mbola hila tohana ara-bola hatrany, na hisy aza ny fanatsarana lehibe ho an’ny fahombiazana. Ny fitazonana ny sarany ho an’ny tokantrano maro dia ahafahana manao tahiry eo anatrehan’ny tsy ampoizina eo amin’ny fitsinjarana herinaratra, ary manampy trotraka izany dia voafetra ny fisitrahana herinaratra ho an’ny tokantrano sahirana raha ny tambajotrana herinaratra eto Madagasikara. Ho an’ny fikitihana ny saran’ny herinaratra ho an’ny mpanjifa lehibe na « OPTIMA » kosa dia efa nihatra nanomboka ny jolay 2021. Fepetra noraisina, ary nampiarahana tamin’ny fanamafisana ny fitaiam-bola sy ny fanamafisana ny ady amin’ny hosoka sy halatra io, ka nahafahana nampiakatra 1000 miliara Ar ny fampidiram-bolan’ny Jirama ny taona 2021, raha ny voarakitry ny fehin-kevitry ny MPEF (Mémorandum de politique économique et financière) niarahan’ny Fanjakana Malagasy sy ny FMI. Taorian’ny fakana ny hevitry ny Banky Iraisam-pirenena, nanapa-kevitra ny hampihatra tsikelikely ny « Optima business », izay fanintsiana ny saran’ny herinaratra ho an’ny orinasa ihany koa ny Fanjakana nanomboka ny aogositra 2022. Hihatra tanteraka manomboka ny janoary 2023 io. Raha zohiana, tsy azo hihodivirana, ary fepetra apetraky ny mpamatsy sy mpiara-miombon’antoka ara-bola ny tsy fiankinan-doha ara-bolan’ny Jirama amin’ny Fanjakana, ka tsy azo ihodivirana ny fampiakarana ny saran’ny herinaratra. Mifandraika amin’izany ve anefa ny tolotra ?
Toky R
 

Dans la même rubrique

25-avril-2024

Ahiana hisy rivo-doza hiforona hanakaiky an’i Madagasikara ato ho ato.

Card image cap
25-avril-2024

Nankatoavin'ny ny Filan-kevitry ny Minisitra omaly 24 aprily 2024 ny hanaovana lavanty

Card image cap
25-avril-2024

Vehivavy kely iray vao 29 taona antsoina hoe : Bezafy Armella omaly Alarobia 24 Aprily no fantatra fa maty

Card image cap
25-avril-2024

20 tapitrisa Ar be izao no saran’ny fampodiana ny vatana mangatsiakan’i Rasoarimalala Antoline,

Card image cap
25-avril-2024

Nampiana ny isan’ny polisy monisipaly sy ny mpamonjy voina hiasa eto Antananarivo renivohitra.

Card image cap
24-avril-2024

Anisan’ireo tazana tetsy Besarety tao anatin’ilay atrikasa nataon’ireo mpahay lalàna,

Card image cap