airtel

Actualités

29-avril-2025

Famahana ny delestazy

15 taona nampanantenana poakaty ny Fitondrana Rajoelina !

Sample post image

Mbola mitohy ny fahatapahan-jiro mifandimby eo amin'ny tambazotra iraisan'Antananarivo na ny RIA,

29-avril-2025

hoy ny seraseran’ny Jirama omaly. Noho ny fihenan'ny haavon'ny tohadrano mpamokatra herinaratra no mahatonga tsy fahampian'ny vokatra tsinjaraina, hoy ny fanazavana. Nambara fa ora roa eo ho eo ny fahatapahana isaky ny faritra voakasika, eo anelanelan'ny amin'ny 11 antoandro hatramin'ny 8 ora alina. Roa ora am-pilazana fa mihoatra izany ny tena zava-misy, raha ny tranga ho an’ny omaly. Mitohy mandavan-taona mazava ho azy ny delestazy, tahaka ny hoe : vao tamin’ity taona ity no tsy ampy ny tosiky ny rano, na tamin’ity vao nisy fahavaratra. Tsy manam-bahaolana ny Fanjakana Rajoelina, 15 taona toa fampanantenana ihany, raha raisina hatrany amin’ny tetezamita, izay efa tamin’izany no nihirahirana toby mpamokatra mandeha amin’ny rivotra na « éolienne » fa mandrak’ity ny androany mbola fadiranovana ara-angovo ny Firenena, banky ropitra an’arivony miliara maro ny Jirama, raha nanana ambim-bava talohan’ny 2009. Tahaka ny propagandy ny mandavan-taona ny famahana olana, raha tsy hilaza afatsy ny vava be tamin’ny 2018 fa tsy nahavita afatsy 800MW ny mpitondra nifanesy fa Rajoelina hanao 400MW ao anatin’ny 5 taona. Efa niezinezina ny filazana ny janoary 2022 fa 6 ka hatramin’ny 8 volana sisa dia ho foana ny delestazy ! Hatramin’izao mbola kabary ambony vavahady, zary efa diska goaka, hoy ny tanora. Vao herinandro lasa no nihirahira fa tsy miandry fahavitan’ny taom-piasana dia hisy fiovana be mikasika ny famokarana, angovo,… Ny 18 aprily nampanantena sy namerina fa hametrahana "parc solaire" mahazaka 20MW alohan’ny volana Aogositra 2025, eny amin’ny lalana mankany amin’ny seranam-piaramanidina Ivato. Amin’ny volana Mey ho avy izao, dia hisy fitaomana hanao tolo-bidy hananganana "parc solaire" lehibe indrindra eto amin’ny firenena, mamokatra 100MW eto Antananarivo. Hametrahana ihany koa "parc solaire" 5MW any Nosy Be, Antsiranana, Mahajanga, Toamasina, Fianarantsoa, Toliara, ary Antsirabe. Efa betsaka izay nolazaina hatramin’ny izay, fa hatreto mbola eo foana ny delestazy. Ireo tetikasa lehibe mbola ny Frantsay amin’ny alalan’ny EDF (Electricité de France) ohatra no andrandraina hanao ny tetikasa Volobe 120MW eo, ka hitana ny 37,5% amin’ny petra-bola. Dia asa indray izay ho vokany, fa hatreto lany andro mampanantena, ny resaka no betsaka fa ny vokatra pakaty, ny delestazy mitoetra ! Tena ny vahaolana tokoa no tsy misy sy tsy mahomby sa ny mpitondra no tsy mahavoa ?
Toky R
 

Dans la même rubrique

30-mai-2025

dia anisany ny angovo sy herinaratra, saingy mbola mitoetra ho tsizarizary ny fisitrahan’ny

Card image cap
30-mai-2025

Tsy misy tsy mikolay amin’ny faharatsian’ny tolotra mikasika ny angovo sy herinaratra eto Madagasikara,

Card image cap
30-mai-2025

Nisy ny firehetana tamina fivarotan-kazo iray teny Tsarahonenana ny 27 may teo,

Card image cap
30-mai-2025

Tena mampitaraina mpanjifa maro ny fotoana lany amin'ny fandoavana ny vidin-jiron'ny JIRAMA

Card image cap
30-mai-2025

Rongony 42 kitapo no tratran'ny Polisim-pirenena tao Ihosy,

Card image cap
30-mai-2025

Ny 28 may vao notontosaina tetsy amin’ny zaridainan’Antaninarenina ny fankalazàna ny

Card image cap