airtel

Actualités

17-févr-2023

Actualités

Famahana ny olan’ny fakon’Antananarivo Lasa any Tokyo - Japon ny ben’ny tanàna

Sample post image

Any Tokyo, renivohitr’i Japon amin’izao fotoana ny ben’ny tanànan’Antananarivo renivohitra Naina Andriantsitohaina.

17-févr-2023

Anton-diany ny fanatrehana ny famahana ireo valopy mirakitra ny tolobidy ho amin’ny fikirakirana ireo fako mivaingana eto Antananarivo renivohitra. Ho avy tsy ho ela ireo fitaovana hahafahana mandamina ny fako ; fantatra ihany koa fa mbola hisy fitaovana hafa tahaka ny kamiao, mpitroka sy mpibata fako ho avy saingy mbola any amin’ny fiandohan’ny taona 2024. Anisan’ny tanàna filamatra amin’ny fahadiovana i Tokyo, ka izay no antony nikarohana mpiara-miasa sy mpiara-miombon’antoka any an-toerana. Tafiditra ao anatina tetikasa goavana iarahana amin-dry zareo japoney amin’ny alalan’ny Jica ka hahazoana famatsiam-bola 845 tapitrisa Yens izao hetsika izao.Ny fandraofana sy fitaterana ny fako no asa atao ao anatin’izany. Tsara ho fantatra fa manodidina ny 600 taonina isan’andro ny fako eto an-drenivohitr’i Madagasikara, mety ho tonga 700 taonina aza io rehefa tena amin’ny andro avy orana, ka ny 350 taonina amin’io ihany anefa no voaraoka sy voataona ara-dalàna.Izay no antony ahitana fako misavovona amina toerana maro eto Antananarivo. Tanjon’ny fiaraha-miasa amin’ny japoney ny hahafahana mandraoaka sy mitatitra fako hatrany amin’ny 600 taonina isan’andro.
Nangonin’i RTT
 

Dans la même rubrique

13-juin-2025

Nanokatra ny fampiratiana ara-pizahatany ITM (Iternational Tourism Fair) andiany faha-11 ny filoha ankehitriny Andry Rajoelina omaly.

Card image cap
13-juin-2025

Anisan’ny navoitran’ny Praiminisitra Ntsay Christian omaly teny amin’ny Antenimierampirenena ny hoe :

Card image cap
13-juin-2025

Renim-pianakaviana iray monina eny Fenoarivo Atsimondrano eny no fantatra

Card image cap
12-juin-2025

Na ny ao amin’ny JIRAMA aza izao izany dia milaza fa hatramin’ny faran’ny taona

Card image cap
12-juin-2025

Manamafy avo roa heny ny fahamailoana ny SAMIFIN izay sampan-draharaha misahana

Card image cap
12-juin-2025

Lany teny anivon'ny Antenimieram-pirenena ny tolo-dalàna miaro manokana ireo varira

Card image cap