napetraka ny Tale jeneraly vonjimaika, ka fitantanana vaovao sy fanarenana izany no niainga teo. Notsenain’ny olona samihafa avy hatrany satria tany amin’ny fiandohan’ny volana desambra 2021, ohatra, no efa nisy olana ny milina roa tao Andekaleka, niantraika tamin’ny tambajotra Antananarivo-Antsirabe, saingy nivaha ny olana noho ny ezaka. Iny nirehitra iny ny “transformateur” tao Andekaleka ny 2 janoary 2022, niantraika tamin’ny milina roa hafa satria dibo-drano ny toby, ka samy nikatso ireo milina 3 namokatra 90 MW. Sarotra ny fanarenana satria na ny fandritana ny rano aza efa ho tapa-bolana. Tsy mikely soroka ny mpitantana sy ny mpiasan’ny Jirama izay mahatratra 5400 eo manerana ny Nosy, manoloana ny zava-misy sy mitranga. Isan’ny asa goavana amin’izao fotoana izao ny fanarenana an’Andekaleka. Asa andro aman'alina, ary azo lazaina fa tena mahay ny teknisianina Malagasy, na sarotra sy lavitr’ezaka aza ny fanarenana. Ankehitriny, mandeha ny andrana ara-teknika amin’izao. Mitohy hatrany ny ezaka sy ny fanaraha-maso. Omaly tamin’ny 8 ora sy 45 mn, efa tafiakatra 22MW indray ny famokarana herinaratra. Tao anatin’ny 48 ora no nahitana an’io, izay niainga 7MW, niakatra ho 14, ary efa tonga 22MW izany omaly maraina. Mbola arahi-maso akaiky ny fiodin’ny milina rehetra mba ho feno tanteraka ny fepetra rehetra sy hanomezana antoka amin’ny hatsaran’ny vokatra azo sy hahatrarana ny tanjona dia ny famokarana ilay 30MW, hoy ny eo anivon’ny Jirama. Hihena manaraka izay ny delestazy rehefa mitombo ny famokarana. Maro ny lesoka matoa mbola mimenomenona ny vahoaka, saingy mampiakatra ny fanantenana kosa ny fisiana vokatra tahaka izao, ka hampaherezana ny eo anivon’ny Jirama miainga amin’ny mpitantana sy ny mpiasa mba hanohy ny ezaka famahana olana, ary ny fitondrana ireo vina sy fanatsarana, toy ny « Jirama Innove »,… Ny famahana ireo olana samihafa misavovona satria ny ao Moramanga, ohatra, dia efa tafaverina amin’ny laoniny famatsiana rano. Rehefa misy ny tsy mety, dia tenenina, fa ilaina ihany koa ny fankaherezana sy fandrisihana rehefa misy ny vokatra. Tsy misy mpitantana sy mpiasa na aiza na aiza dia tena hoe: hamotika sy handetika ny orinasa ka hanala baraka ny tenany no antom-pisiany kanefa io no asany sy ny fivelomany, ary hitondra ny traikefa sy fahaiza-manaony no nametrahana azy.
Toky R
Simba ny fitaovana, mihena ny angovo, ela vao feno ny vatoaratra, potika ny fihariana.
Zava-doza tsy roa aman-tany no nataon’ny lehilahy iray tany Toamasina izay nahasahy nandatsaka
Lasa fialam-bolin’ireo vahiny tonga tany amin’iny faritra andrefan’ny Nosy iny rehefa faran’ny herinandro tahaka izao ny mitifi-borona.
Teo am-pamaranana ny boky soratako mikasika ny tsiahin'ny taona fitopolo sy ny manodidina azy ary koa ny