airtel

Actualités

08-déc-2021

Actualités

Famahana ny olan’ny JIRAMA Fihetsiketsehana no betsaka, hoy ny mpanjifa

Sample post image

Mihazakazaka manaraka fandrosoana ny Jirama ankehitriny, hoy ny avy eo anivon’ny minisiteran’ny angovo farany teo nanohy ny fampahafantarana ny atao hoe "Jirama Innove"

08-déc-2021

izay herintaona lasa izay no nanatanterahana ny dingana voalohany tamin'izany, raha ny fampahafantarana. Efa misitraka ny vokatr'izany isika manerana ny nosy ankehitriny dia ny "Matselaka" izany, hoy ny fampahafantarana. Naroson'ny Jirama ho antsika indray ny dingana manaraka dia ny "Digitalisation" izay lalana mankany amin'ny tolotra tsaratsara kokoa sady natao hanamora ny fizotran'ireo dingana rehetra atao eo anivon'ny Jirama. Maro be ireo tombony hoentin'ity vokatra vaovao ity. Misy teboka maromaro nambaran'ny Tale Jeneralin’ny Jirama nandritry ny lahateniny. Voalaza teto koa moa ny fihetsiketsehana samihafa toy ny hoe serasera anatiny na “Intranet” hahafahana mampita ny vaovao manerana ny nosy ao anatin'ny fianakaviamben’ny Jirama, fanarenana ny "Journal interne", “Plate-forme” hahafahana midinika eo anivony orinasa Jirama ny mpikambana hamolavola ny tetikasa iombonana. Ho hatsaraina ny toerana fiofanana eny Ambohimanambola. Noho izany dia miisa 3 ireo akademia hisy eto Madagasikara dia ny akademia Ambohimanambola, Mandraka Hydro, Akademia Sud Énergie Solaire, hoy hatrany ny fampahafantarana. Namaivay nanoloana izany anefa tetsy ankilany ny kiana nataon’ireo mpanjifa izay manomboka sorena amin’ity fihetsiketsehany tsy mifanaraka amin’ny tena zava-misy marina ity. Isan’ny fanontaniana mipetraka ny hoe tafala tanteraka amin’ny zava-misy na ilay hoe “déconnecté” amin’ny “réalité” ve ny minisitra tomponandraikitra sy ny JIRAMA ka tsy mahafantatra fa na ireo mponina an-drenivohitra aza ankehitriny, sanatrian’izany, efa hila hisotro ranom-potaka? Maneho ny fialantsiny amin’ny Jirama ofisialy fa tsy tafafoha tamin’ny 2 ora maraina hanangon-drano izahay dia tsy nahazo ilay anjara rano tokony ampiasaina androany, hoy ny renim-pianakaviana iray nanome valin-kafatra. «Geste» iray bariaka fa ny asa tsy atao tsara, hoy izy, ary ilay henatra teto amin’ity firenena ity angamba aloha efa lasa nanao «voyage» lavitra be mihitsy.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

25-avril-2024

Ahiana hisy rivo-doza hiforona hanakaiky an’i Madagasikara ato ho ato.

Card image cap
25-avril-2024

Nankatoavin'ny ny Filan-kevitry ny Minisitra omaly 24 aprily 2024 ny hanaovana lavanty

Card image cap
25-avril-2024

Vehivavy kely iray vao 29 taona antsoina hoe : Bezafy Armella omaly Alarobia 24 Aprily no fantatra fa maty

Card image cap
25-avril-2024

20 tapitrisa Ar be izao no saran’ny fampodiana ny vatana mangatsiakan’i Rasoarimalala Antoline,

Card image cap
25-avril-2024

Nampiana ny isan’ny polisy monisipaly sy ny mpamonjy voina hiasa eto Antananarivo renivohitra.

Card image cap
24-avril-2024

Anisan’ireo tazana tetsy Besarety tao anatin’ilay atrikasa nataon’ireo mpahay lalàna,

Card image cap