airtel

Actualités

16-janv-2025

Famantarana mialoha sy fikaroham-baovao

Nofanina ireo solontena miaramila eny anivon’ireo faritra

Sample post image

Nanomboka ny alatsinainy 13 ka nifarana ny alarobia 15 janoary 2025 tao amin’ny trano fivorian’ny Minisiteran’ny

16-janv-2025

Foloalindahy ny fiofanana sy ny fivoriana mikasika ny fanamafisana ny fahaizamanaon’ ireo Solontena Miaramila eny anivon'ireo Faritra sy ireo manamboninahitry ny Tafika Malagasy mikasika ny famantarana mialoha sy ny fikaroham-baovao na ny « Réunion de coordination et de renforcement de capacités des Délégués Militaires Régionaux (DMR) et des Officiers de l’Armée Malagasy dans la chaine anticipation et renseignement militaire », araka ny fizaram-baovao nataon’io Minisitera io. Tanjona amin’izao fiofanana izao ny hanamafisana ny fahaizamanaon’ireo mpiofana amin’ny fomba fiasa mba hahazo vokatra tsara hatrany amin’ny fanatanterahana ny asa sy ho fametrahana ny fandriam-pahalemana maharitra. Namarana izany tamin'ny fomba ofisialy ny Minisitry ny Foloalindahy, ny Jeneraly SAHIVELO Lala Monja Delphin notronin’ny Sekretera Jeneralin'ny Minisiteran'ny Foloalindahy, ny Amiraly ASSANY Bemarivo Jeannot sy ny Talen’ny Kabinetran’ny Minisitra, ny Jeneraly ROBENARIMANGASON Herimamy. Nandritra ny lahateny nataon’Andriamatoa Minisitra no nanomezany toromarika manokana ho an’ireo Solotena Miaramila eny anivon'ireo Faritra hanatsarana sy handrindrana ny fikarohana sy fampitam-baovao ara-miaramila amin’ny asa izay tanterahan’izy ireo eny anivon’ny faritra misy azy tsirairay avy, hoy hatrany ny tatitry ny Minisiteran’ny Fiarovana.
Nangonin’i Toky R

 

Dans la même rubrique

30-avril-2026

ny miaramila sy tanora handoro toby mpihary herinaratra »

Card image cap
30-avril-2026

Tanora miisa 15 no indray

Card image cap
29-avril-2026

Tsy tena tsapa ilay fanovàna ! Apetrao ny satan'ny tetezamita fanavaozana !"

Card image cap
29-avril-2026

birao vaovao, notsofina rano

Card image cap