tamin’ny tetezamita entina hanatsarana ny raharaham-pirenena, hoy ny fanazavan’ny filohan’ny Alliance Voahary Gasy, Ndranto Razakamanarina. Ny zava-misy ofisialy eto amin’ny firenena aloha dia misy ireo bolabolan’andramena miisa 28.766 ireo izay nogiazana an-taonany maro izay dia mipetraka any amin’ny “gardien séquestre”, ny zandarimaria, ny miaramila, ny sampan-draharahan’ny ala, hoy izy. Nasaina nanao fanambarana koa, ankoatran’izay ireo “mpandraharaha” misehatra amin’ny andramena. Tsy ara-dalana izany! Noferana tamin’ny taona 2012 moa izy io hoe bolabola miisa 200.000. Toy ny niakatra tampoka indray dia lasa 270.000 indray izany ankehitriny. Izany rehetra izany no misy miheritreritra ny hivarotra. Ho anay ato amin’ny AVG sy ny lalana mihitsy dia hazo halatra ireo. Famotsiam-bola ihany ny famarotana an’ireo na dia mety ho amin’ny fomba ara-dalana aza. Ny tena olana lehibe ny amin’ny hivarotana ireo dia fantatsika ny paikan’ireo tsy maty voalavo an-kibo amin’ny fanondranana “bois de rose” eto Madagasikara fa toy ny alalana ho azy indray hanapatapaka any ambadika any izany zavatra izany. Raha be indrindra dia tsy mahatratra 30.000.000 dolara akory no azo amin’ireo andramena nogiazana ireo. Ilay voalaza na “déclaré” dia voalaza fotsiny fa mbola tsy voamarina hoe tena misy. Ireny ilay mahatonga anay miteny hoe misy vonona hanapaka any. Raha manaikinaiky ny famarotana an’ireo dia hihevitra ireo olona ireo fa tsy mpanapaka sy mpanimba izy fa hihevitra ny tenany ho toy ny mpandraharaha rehetra. Eo no manahirana. Aminay dia tsy tokony amidy ireo fa aleo hodorana mba tsy hitohizan’ilay fihariana intsony. Azo atao koa, ohatra, ny mampiasa azy hanarenana ireo vakom-pirenena maromaro eto. Tsy azonay izao izay antony nanapahana hazo vaovao indray tany Melaky tany hanarenana ny rova nefa ireo feno tahiry. Azo atao fanomezana ho an’ireo mpisehatra amin’ny asa sikotra eto amin’ny firenena koa io, hoy hatrany ny Alliance Voahary Gasy.
J. Mirija
Nanapa-kevitra hampihena ny asany tsy hanao afatsy ireo asa tsy maintsy hatao sy tsy azo hialana na « service minimum» ao amin’ny QMM Taolagnaro ny orinasa Rio Tinto.
Lehilahy miisa 04 no voasambotry ny Sampan-draharahan’ny Polisim-pirenena misahana ny ady amin’ny zava-mahadomelina teny La Haute ville sy Andavamamba afak’omaly alarobia 18 mey noho ny fivarotana heroine fantatry
Ela ny ela fa tratran’ny mpitandro ny filaminana ihany ilay lehilahy iray nampitondraina vola mitentina 12.700.000 Ar mba omena olona nefa nentiny nitsoaka.
Tovovavy kely iray vao 14 taona monja no maty novonoin’ny sakaizany ny alin’ny alahady 15 mey hifoha alatsinainy 16 mey lasa teo.