airtel

Actualités

30-juin-2026

Famatsiana herinaratra

ho an’ny main-tany

Sample post image

Mandeha ny fikojakojana ny DG2 an’ny Afripower

30-juin-2026

Raikitra ny fikojakojana ara-pisorohana sy ara-teknika ny milina DG2 ao amin’ny Afripower Mandroseza. Tsy maintsy tanterahina amin'izao fotoana izao satria efa tara roa (2) taona ny fikojakojana lehibe tokony natao, araka ny toromarika nomen'ny Jirama teo aloha. Haharitra herinandro ity asa fikojakojana ity ary laharam-pahamehana tanteraka, satria natao hiantohana ny fahavononan'ny fitaovam-pamokarana sy ny fahatokisana ny famokarana herinaratra atolotra ny Jirama, indrindra mandritra ny vanim-potoanan'ny hain-tany, hoy ny fanazavana. Nosokajiana ho stratejika strai tena ilaina ny fanatanterahana mialoha izao fikojakojana izao, mba hahazoana antoka fa vonona sy afaka mamaly ny filàna ny milina DG2 amin’izao tsy fahampian’ny rano izao. Laharam-pahamehana satria manampy amin'ny fiantohana ny fahamendrehana sy ny fahavononan'ny milina DG2, ary manohana ny fitohizan'ny famatsiana herinaratra ho an'ny vahoaka mandritra izao vanim-potoana saropady izao, raha ny fanazavana.
Toky R
 

Dans la même rubrique