Efa fahita foana izy io isan-taona, saingy toa lasa fahazarana sy fihetsika ivelany sisa no tena betsaka. Toa tsy hita taratra firy ny fanaraha-maso sy tombana. Ilay zanaka minisitera nametrahana minisitra lefitra nisahana ny fandrakofana ala aza efa nofoanana taorian’ny adin’ilay minisitra sy minisitra lefitra tamin’izany, izay efa samy tsy ao amin’io Minisitera io intsony. Ilaina ary tena zava-dehibe ny resaka fambolena ala, ary tena mitombona ilay teny filamatra hoe: “Izay mamboly hazo mamelona aina. Izay mamboly hazo mamelona an'i Madagasikara”, kanefa rehefa mahita ny fihetsiketsehana sy ny seho ivelany ataon’ny mpitondra Fanjakana rehefa fotoana tahaka io, dia toa ny pitsopitsony na “logistiques” amin’ny fivoahana ataon’ny Filoha sy ny mpitondra aza indraindray no mandany vola kokoa no ny tombam-bidin’ny zanan-kazo volena, ary famorian’olona ara-politika no toa mitady hibahan-toerana. Mamboly hazo isika, saingy tsy fantatra izay maty sy velona, mihazakazaka ny fahapotehana. Ny fandripahana ny ala moa efa tsy hita holazaina intsony satria tena mbola vitsy sy lafo ny solon’angovo ahafahana manolo ny kitay sy ny arina fandrehitra izay tena fototra mahapotika ny ala, ka mahatonga ny tontolo iainana ho simba, izay anton’ny fiovaovan’ny toetr’andro sy ny loza voajanahary miha mahery vaika. Ny resaka famotehana ala noho ny antony hafa, dia tena zava-doza ny doro tanety eto, ary manampy trotraka ireny niaraha-nahita ireny hoe: depiote avy amin’ny lokon’ny fitondrana no mamoaka taratasy manome alalana ny fiarany hitatitra hazo amin’ny fotoana rehetra, hany ka ripaka ireo hazo ahiana ho lany tamingana toy ny voamboana, hazomainty,… Tena mila politika mazava sy matihanina ny resaka fambolen-kazo sy fiarovana ny ala sy ny tontolo iainana mba tsy ho lasa fahazarana sy fanaovana sehoseho ivelany na hatao fitadiavana famatsiam-bola fotsiny.
Hatramin’ny Sampan-draharaha iraisam-pirenena momba ny tontolo iainana na nyWWF no manentana antsika fa “tsy tokony ho fambolen-kazo fakana sary” na “reboisement selfie” fotsiny. Nitondra fanairana eo anatrehan’ny fandoroana ala satria betsaka noho ny volena ny may. Raha velarana 73 000ha no voavoly hazo ny 2022, dia nahatratra 90 000ha kosa ny ala sy hazo may.
Toky R
Namoahana fanairana na "Alerte orange" ny tafika, raha ny taratasy miparitaka eny amin’ny tambajotran-tserasera,
Nohavaozina tanteraka ny biraon’ny kaominina Ambohidrapeto, distrikan’Atsimondrano.
Nitrangana toe-javatra mampalahelo tany amin’ny distrikan’i Sambava roa volana lasa izay.
Lehilahy roa 43 sy 54 taona no nidoboka am-ponja rehefa tratra teny amin'ny seranam-piaramanidina Ivato ,
Mitombo ny isan'ireo teratany vahiny hita ho mifampizara tsena amin'ny mpivarotra amoron-dàlana tato ho ato, raha ny vaovao niparitaka omaly.
Tsy mifidy tany ny fahaizana manazatra ny baolina kitra! Tena mamiratra any Seychelles i Tsiahavahana Solofo Ramarolahy.