airtel

Actualités

05-oct-2023

Fametrahana ny fandriampahalemana

Misy fomba fiasa mila alamina

Sample post image

Raha mijery ny zava-nisy teny an-kianja sy ny sary niparitaka tato ho ato izay dia tena manana mpitandro filaminana

05-oct-2023

tomady, ranjanana , ampy fitaovana tsara isika eto MadagasikaraTsy misangy fa tonga dia manenjika sy misambotra ary tena tahaka ny tselatra ny fomba fiasa.Vao maraina be dia efa eny an-kianja, tsy misy miala fa eo foana mandra-piravan’ny hetsika.Tsy misy mandeha an-tongotra na mila tsipaipaika amin’ny solika na saran-dalana fa ampy tsara ireo fiara matanjaka handehanana mivezivezy.
TOKONY ALAMINA NY FOMBA FIASA
Eto Antananarivo renivohitra anefa, tsy mbola resahana ny isam-paritra, dia mirongatra ny asan-jiolahy : fanafihana cash point, fanendahana anaty taxi be amin’ny andro atoandro, vaky trano, sinto-mahery, fanafihana mpivarotra (épicerie sy mpambongady). Tsy azo natao ve ny mandamina ny fomba fiasan’ny mpitandro filaminana mpiaro ny vahoaka sy ny fananany tahaka ny fandaminana ny mpitandro filaminana mpanakana hetsika politika sy mpandrava hetsika am-pilaminana. Efa malaza be any anaty fiarahamonina fa mahazo tambin-karama ireo Emmoreg mpandrava hetsika politika ireo ….ka inona no tsy hanohanana tahaka izany ireo mpitandro filaminana hiady amin’ny asan-jiolahy mambotry vahoaka moa ? Tsy natao hiaro ny andrim-panjakana fotsiny ny mpitandro filaminana fa natao hiaro indrindra indrindra ny vahoaka. Ny hetra avy amin’ny vahoaka no volam-panjakana handoavana ny karaman’ny miaramila, zandary, polisy. Atao ilay izy satria Asa fa tsy hoe atao noho ny fiangaviana. Ny mpitandro filaminana rahateo dia vahoaka ihany manana fianakaviana any anaty vahoaka sy fiarahamonina any ary mahatsapa ny zavatra mety sy tsy mety. Fanamboarana fomba fiasa no tokony atao, fandrindrana sy fandaminana fa raha fitaovana dia misy , ny tetibola koa matevitevina ihany raha tetibolam-panjakana ho an’ny zandarimariam-pirenena sy ny ministeran’ny filaminam-bahoaka no atambatra satria mitotaly 630 miliara ariary mahery ny herintaona. Tokony manana 27 miliara ariary isan-taona ho an’ny filaminana sy fandrampahalemana izany ny faritra tsirairay avy eto Madagasikara.
Legende : Tsy sarotra ny miady amin’ny jiolahy sy ny dahalo raha miparitaka araka ny tokony ho izy isaky ny faritra ny mpitandro filaminana.
Nangonin’i RTT.
 

Dans la même rubrique

28-mai-2025

Tafiditra ao anatin’ny Travel Green List 2025 navoakan’ny Wanderlust Travel Magazine i Madagasikara.

Card image cap
28-mai-2025

Homarihina amin’ny 26 Jona ho avy izao ny faha-65 taona nahazoantsika ny Fahaleovantena.

Card image cap
28-mai-2025

Fivarotan-kazo iray no niantombohan’ny afo, niitatra tamin’ny trano lehibe roa sy trano hafa.

Card image cap
28-mai-2025

Nampalahelo sady nampivarahontsana ny zava-nitranga tao Toamasina omaly.

Card image cap
27-mai-2025

Nangotraka ny fahatezeram-bahoaka teto Antananarivo ny herinandro lasa teo,

Card image cap
27-mai-2025

Tsy misy izay tsy mitaraina sy mimenomenona ny amin’ny fanapahan-kevitry ny

Card image cap