airtel

Actualités

18-avril-2023

Actualités

Famoahana ny misy sy ny marina Nankasitrahan’ny mpiara-miombon’antoka ny TOP RADIO

Sample post image

Tena manimba ny fiaraha-monina ny tsaho. Miteraka horohoro any amin’ny isam-batan’olona mihitsy izany ary mety hanimba saina aza indraindray.

18-avril-2023

Hisorohana izay tranga izay indrindra no antom-pisian’ny fiaraha-miasan’ny TOP RADIO sy ny « Coalition des radios » ary ny « internews » izay vondron'asan-tserasera anisan'ny goavana maneran-tany manana masoivoho aty Afrika, azia, eoropa ao anatin’ilay tetikasa « Rooted in trust ».
VONDRON’OLO IFOTONY
Natombok’izy ireo tamin’ny fakana vaovao teny anivon’ireo vondron’olona eny ifotony izany ka nahitsy avy hatrany ireo karazana tsaho mety nanimba. Anisan’ny ohatra noraisin’ny namana Solotiana mpanao gazetin’ny TOP Radio ohatra ny tsaho niely nandritra ny fiparitahan’ny valan’aretina COVID 19 teto amintsika ka nilazan’ny sasany fa nisy fanahy hafa mihitsy ireo vaksiny niady tamin’izany ka nisy ireo olona efa lasa adala….Anisan’ny nanitsy ary mbola hanitsy izany ny TOP Radio amin’ny alalan’io tetikasa io. Hanabe ny olom-pirenena rahateo no antom-pisiany fa tsy hampihorohoro na hampatahotra ny olona indrindra tsy hitondra korontana eny anivon’ny fiaraha-monina fa handamina no sady mizara ny vaovao misy sy marina.
FANABEAZANA SY FAMATSIANA VAOVAO MARINA
Voaporofon’ireo mpanohana ny tetikasa izany, antony nanosika azy ireo hanolotra panneaux solaires ho an’ny TOP Radio, lanonana notanterahina omaly. Tanjon’ny mpanome ny tsy hahatapaka ny fandaharana eo anivon’ny TOP radio indrindra ny fanabeazana sy ny famatsiana vaovao marina ny mpiara-belona isan’andro. Saika miaina olana amin’ny resaka herinaratra avokoa mantsy amin’izao ny rehetra. Mpamantsy vola goavana ity tetikasa ity moa ny AFD koa raha mety ny tantana dia hiditra hamatsy vola ny tetikasa ny vondrona Eoropeana any amin'ny faran'ny taona 2023 any ho any. Naharitra telo volana teo ho eo ny fiaraha-miasan’ny TOP Radio sy ny « coalition des radios » ary ny Internews.
Pati
 

Dans la même rubrique

28-mai-2025

Tafiditra ao anatin’ny Travel Green List 2025 navoakan’ny Wanderlust Travel Magazine i Madagasikara.

Card image cap
28-mai-2025

Homarihina amin’ny 26 Jona ho avy izao ny faha-65 taona nahazoantsika ny Fahaleovantena.

Card image cap
28-mai-2025

Fivarotan-kazo iray no niantombohan’ny afo, niitatra tamin’ny trano lehibe roa sy trano hafa.

Card image cap
28-mai-2025

Nampalahelo sady nampivarahontsana ny zava-nitranga tao Toamasina omaly.

Card image cap
27-mai-2025

Nangotraka ny fahatezeram-bahoaka teto Antananarivo ny herinandro lasa teo,

Card image cap
27-mai-2025

Tsy misy izay tsy mitaraina sy mimenomenona ny amin’ny fanapahan-kevitry ny

Card image cap