airtel

Actualités

12-janv-2024

Famokarana «Drone » hitaterana fanafody

Nitsidika ny Aerial Metric ny Ambasadaoro Amerikanina

Sample post image

Nitsidika ny Aerial Metric ozinina fanamboarana « drone » eto Antananarivo

12-janv-2024

ny Ambasadaoro Amerikana Claire Pierangelo ary niresaka momba ireo fomba maro hampiasana drone eto Madagasikara tamin’ny Tale Jeneralin’ity orinasa ity Pierre Loup, ka anisan’izany ny fitaterana vokatra ara-barotra sy vokatra vonjy taitra na ara-pahasalamana ary koa ny famendrahana fanafody hiadiana amin’ny tazomoka, hoy ny tatitra sy fanomezam-baovao. Nomarihina fa ny governemanta amerikana, amin'ny alàlan'ny tetikasa USAID/IMPACT tanterahan'ny PSI Madagascar sy ny famatsiam-bola avy amin'ny Global Fund, dia manohana ny rafi-pirenena famatsiana ara-pahasalamana amin'ny fampiasana ny teknolojian'ny « drone » mba hanamafisana ny fahatongavan'ny fitaovana sy kojakoja ara-pahasalamana any amin'ireo vondrom-piarahamonina lavitra sy saro-dàlana. Raha ny fanazavana ara-teknika, afaka mitondra hatramin'ny 10 kilao isaky ny sidina ny « drone » iray ary afaka mandeha lavitra hatramin'ny 100 km. Nahafahana nitatitra fitaovana sy kojakoja ara-pahasalamana maherin'ny 6,000 kilao tany amin'ny distrika miisa 14 ary manerana ny faritra 5 ireo sidina « drone » maherin'ny 3,900 no vita hatreto ka anisan'izany ny fitaterana vaksiny ho an'ny ankizy miisa 476,000 ary ny vaksiny Covid-19 miisa 49,000 mahery. Manokatra sehatra vaovao hiaraha-miasa eo amin’ny sehatry ny fahasalamana eto Madagasikara ity teknôlôjia ity ary ny fanjakana Malagasy rahateo dia mikatsaka ny hanatsara ny famatsiana eo amin'ny sehatra nasionaly sy ny fampitomboana tolotra ara-pahasalamana any amin'ny faritra ambanivohitra, hoy ny fampahafantarana.
Toky R

 

Dans la même rubrique

16-mai-2024

mpitondra mahalala ny filàm-bahoaka sy tena laharampahamehana, vahoaka tsy sakana fa hery,

Card image cap
16-mai-2024

Raikely iray indray no voamarina fa nanolana ny zana-badiny vao 13 taona,

Card image cap
15-mai-2024

Mivoatra ny raharaha ady tany ao Amboanara, fokontany Batterie, Kaominina Hell-Ville Nosy Be,

Card image cap
15-mai-2024

Anisan’ireo teboka nitondran’ny eglizy katolika ny fijeriny ny lalàna momba ny famosirana ireo

Card image cap
15-mai-2024

Tanteraka eto ny tena fampiroboroboana ny indostria ety ifotony,

Card image cap
15-mai-2024

Nodimandry teo amin’ny faha-51 taonany androany 14 mey 2024 ny Tale Jeneralin’ny ARAI

Card image cap