niaraka tamin'ny Minisitry ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola, ny Minisitry ny Fitaterana sy ny Famantarana ny toetrandro, ny Minisitry ny Angovo sy ny Akoranafo, sy ireo rantsamangaika rehetra mirafitra amin'ireo Minisitera ireo, voakasiky ny olan’ny herinaratra ny alatsinainy teo. Nikaon-doha nijerena ny fomba amoahana ao anatin'ny fotoana fohy ireo kaontenera 287 misy ny fitaovana hamokarana herinaratra amin’ny herin’ny masoandro 50MW sy ny milina mandeha amin'ny solika mavesatra ilay novidiana tamin’ny Indianianina. Nisy ny fanomezana fe-potoana tsy maintsy hivoahan’ireo entana hatramin’ny anio 13 novambra, ka ny alatsinainy dia efa raikitra ny famoahana. Tsara ny mampahatsiahy, fa efa tany amin’ny aprily 2024 ireo fitaovana hanaovana parc solaire ireo no tao Toamasina, ary ny Filoham-pirenena mihitsy no nitsena azy, kanefa 7 volana taty aoriana vao io fa hanaovana serasera sy fihetsiketsehana io ilazana fa tena miasa ny Fanjakana. Na ny vola saran’ny fipetrahan’izay tao amin’ny seranana aza ve tsy efa tena nidangana sa natao kopisoroka ny famoahana azy satria an’ny Fanjakana ? Antsiranana, Nosy-Be, Mahajanga, Toamasina, Fianarantsoa, Toliara ary Antananarivo no hametrahana azy, izay raha ny kajikajy hatrany am-boalohany, dia hapetraka amin’ny toerana 47 eo manerana ny Nosy, hiteraka fitsitsian-tsolika hatrany amin’ny 18 tapitrisa litatra, hampihena 80 miliara Ar isan-taona ny vola tokony hividianana solika ity resaka angovo amin’ny herin’ny masoandro 50MW ity. Na izany aza, mbola mahakely finoana ny hahitana fiovana lehibe avy amin’io noho ny tsy fahampiana na « gap » amin’ny resaka angovo eto izay tena efa latsaka lavitra be vao mikoropaka sy mitanisa vahaolana ny Fanjakana, izay ny fampanantenana manao hafainganam-pandehana TGV, fa ny tena fanatanterahana sy fahatanterahana mbola tahaka ny sokatra. Mbola mampametra-panontaniana ihany koa ny hoe : hanao ahoana ny fampiakarana ilay milina hamokatra 105MW izay voalaza fa 70 taonina ny iray kanefa 40 taonina eo no zakan’ny RN2 ? Manam-bola hanodinana izany ve ny Fanjakana eo anatrehan’ny solika mety an’aliny litatra hanodinana azy isan’andro ?
Toky R
Tontosa omaly alakamisy 16 janoary 2025 teny amin’ny Fitsarana tampony Anosy ny fametrahana sy fianianana
Mihamahazo vahana hatrany ny tsy fisian-drano eto amintsika. Antony hitadiavan’ireo mpanao
Hisy fivarotana amin'ny alalan'ny lavanty kojakoja elektrika avy amin'ny Jirama,
Efa lasa manalavitra ny morontsirak’i Madagasikara hatrany hatramin’ny omaly hariva fotoana
Fahotana faratampony amin’Andriamanitra no sady miteraka ozona mahatsiravina ny Ray manam-bady ny zanany
Tovolahy iray manodidina ny 35 taona eo ho eo no fantatra fa hita faty tao anaty tano tao Ampitarihana,