airtel

Actualités

02-déc-2025

Famokarana herinaratra

Hanafaingana ny tetikasa Volobe sy sahofika ny Fanjakana

Sample post image

Nanambara ny famelomana indray ny

02-déc-2025

tetikasa herinaratra avy amin’ny rano Volobe sy Sahofika ny Fanjakana ankehitriny. Sokajiana ho tena ilaina amin’ny fampitomboana ny famokarana herinaratra eto amin’ny firenena sy amin’ny fampihenana ny fahatapahan-jiro io. Araka ny nambaran’ny minisitra misahana ny Angovo sy ny Solika, Ny Ando Ralitera, dia nihemotra hatreny ireo tetikasa ireo taloha, saingy hatao laharam-pahamehana ny famelomana azy hatramin’ny nandraisan’ny governemanta ankehitriny ny andraikitra. Araka ny fanazavan’ny minisitra hatrany, ny tetikasa Sahofika, izay misy ny riandrano lehibe indrindra eto Madagasikara miaraka amin’ny fikorianan-drano tsy miova mandritra ny fahavaratra, dia mety hamokatra herinaratra 205 MW araka ny vinavina, saingy tombanana fa mety hahatratra 400 MW ny tena heriny. Nambara ihany koa fa efa eo amin’ny dingan’ny fanomanana ny tetikasa ary voalahatra ny fanatanterahana azy mba hanome famokarana herinaratra tsy tapaka mandritra ny taona. Nohamafisin’ny governemantan’ny Fanavaozana fa efa noraisina ny fanapahan-kevitra ilaina hanombohana ireo tetikasa roa ireo ary ny fanatanterahana azy dia antenaina fa hanampy amin’ny fampihenana maharitra ny fahatapahan-jiro eto amin’ny firenena. Efa an-taonany maro moa no niresahana ireo tetikasa ireo, saingy mandrak’ity ny androany tena mbola nijanona teo amin’ny resaka sonia sy fiantsoana na filazana ny mikasika ireo tompona petra-bola. Ny tetikasa Volobe izay vinavinaina hamokatra 120MW ohatra, dia efa ny jona 2022 no nanaovan’ny Fanjakana niarahaka tamin’ny CGHV (Compagnie Générale d’Hydroélectricité de Volobe) fa ho vita ny 2026 saingy mandrak’ity. Hatreto toa mbola miandry ny fidiran’ny fidiran’ny AFD (Agence Française de Développement) amin’ny alalan’ny Proparco ho isan’ny tompona petra-bola hanampy ny Vondrona Axian, ny EDF (Électricité de France), Africa 50, ny Fankana Malagasy,… Asa mbola manan-kery ve ny fifanarahana ? Irariana araka izany ny tena hanetsehana sy hampandehanana ny tetikasa ankoatra ny fanatanterahana ireo fanamby hafa toy ny nilazana fa miroso amin’ny fampiasana ny « panneaux solaire » izay miteraka fitsitsiana 46 tapitrisa litatra isan-taona, miteraka ambim-bava 184 tapitrisa dolara. Toy izany ihany koa raha hanafatra milina dia milina mandeha amin’ny menaka mavesatra na « huile lourde » fa tsy amin’ny gazoala hahafahana manana ambim-bava 41 miliara dolara isan-taona ka anatin’ny 2 taona izany 82 tapitrisa dolara hahafahana mandoa ny trosan’ny Jirama.
Toky R

 

Dans la même rubrique

17-avril-2026

Nofoanana tamin’ny taona 1973

Card image cap
17-avril-2026

Tsy mampandeha amin’ny laoniny ny fanavaozana ny tsy fandriampahalemana»

Card image cap
17-avril-2026

fifamonoana sy fifanimbàna»

Card image cap
17-avril-2026

ivelany mafy tsy voafehintsika»

Card image cap
17-avril-2026

hanaraha-maso ireo faritra arovana

Card image cap
17-avril-2026

hahazo tombony amin’ny tetikasa D-CLIC

Card image cap