airtel

Actualités

03-mars-2025

Famokarana zana-trondro ao Vakinankaratra

20.000 isa eo isan-taona no vitan’ny fianakaviana iray

Sample post image

Miditra amin'ny andiany faharoa amin'ny fandrotsahana zana-trondro anaty farihy taona 2025 ny ao

03-mars-2025

Vakinankaratra ankehitriny, raha ny mikasika ny fianaraha-miasa eo amin'ny mpanjono sy ny mpiompy trondro no resahina, hoy ny fampitam-baovaon’ny sampan’ny minisiteran’ny jono sy ny toekarena manga ao an-toerana. Isan'ny nanaovan'ny koperativa FIFIMPAVA fifanaraham-piaraha-miasa amin'ny alalan'ny tetikasa Fanainga+ ny mpiompy trondro iray ao amin’ny fokontany Ambony Atsimo, kaominina ambanivohitra Ambohibary Sambaina, distrika Antsirabe II, faritra Vakinankaratra, ka nidina nanao ny fandrindrana izany ny Fitaleavam-paritry ny jono sy ny toekarena manga Vakinankaratra. Mahavokatra zana-trondro manodidina ny 20.000 isa isan-taona ny fianakaviana iray ary mitentina hatrany amin'ny 3 Taonina isan-taona ny trondro matavy vokariny. Efa 20 taona no nanaovan'izy ireo izao asa izao ary hitany fa tena mahavelona. Zana-trondro karpa miisa 9000 kosa no novidin'ireto mpanjono ireto teto ka haparitaka manerana ny farihy miisa 4 ato anaty faritra Vakinankaratra, hoy hatrany ny fampitam-baovao voaray.
Nangonin’i J. Mirija
 

Dans la même rubrique

22-sept-2026

fanadihadiana parlemantera ny ACM ‎

Card image cap
22-sept-2026

rehetra ao aminy ny FFKM

Card image cap
22-sept-2026

Iles Eparses, hitad mpiara-miombon’antoka

Card image cap
22-sept-2026

Handoavana 15000Ar isaky ny fiara tsy misy entana

Card image cap
22-sept-2026

7 lahy voasambotra sy nidoboka am-ponja

Card image cap