airtel

Actualités

17-févr-2026

Famokarana zezika ôrganika ao Toliara

Nisokatra ny ozinina nambaran'ny Fanjakana

Sample post image

Nisokatra tamin’ny fomba ofisialy

17-févr-2026

tao Belalanda, Toliara, omaly alatsinainy 16 febroary 2026, ny ozinina lehibe mpamokatra zezika ôrganika. Ity tetikasa ity dia vokatra avy amin’ny fifanarahana fiaraha-miasa teo amin’ny Fanjakana Malagasy sy ny Emirats Arabes Unis, izay nifampiresahana nandritra ny dian’ny delegasiônina malagasy tany Abu Dhabi. Ny vokatra hivoaka avy amin’ity ozinina ity dia zezika ôrganika manaja ny tontolo iainana, mikajy ny fahasalaman’ny tany, ary azo vidiana amin’ny vidiny mirary. Tanjon’ny fanjakana ny hanamaivana ny vesatra mahazo ny tantsaha sy hanamora ny fidirana amin’ny fitaovana fototra amin’ny fambolena. Araka ny fanazavan’ny Filohan’ny Fanavaozana, RANDRIANIRINA Michaël, hafainganina ny fanatanterahana ny asa fanorenana, ka porofo izany fa mijery akaiky ny filàn’ny tantsaha ny Fanjakana. Nambarany fa ny fahavitan’ity ozinina ity dia mariky ny finiavana hanatratra ny fahavitan-tena ara-tsakafo sy ny fampandrosoana ny sehatry ny fambolena sy ny fiompiana. Mahatratra 30 taonina isan’andro ny fahafaha-mamokatra, izay midika famatsiana mivantana sy maharitra ho an’ny tantsaha. Dingana lehibe ho amin’ny fahaleovantena ara-tsakafo sy fanamafisana ny fambolena eto Madagasikara izao. Voalaza moa fa 4 000 Ariary ny vidin’ny zezika teo aloha, dia mety hidina ho 2 000 Ariary izany ankehitriny noho ny famokarana ao an-toerana. Ny faritra Atsimo Andrefana, izay ahitana an’i Toliara, dia efa fantatra ho manana tanjaka ara-pamokarana. Na izany aza, mbola fanamby lehibe ny tsy fahampian-drano. Nohamafisin’ny Filohan’ny Fanavaozana fa efa misy ny fepetra noraisina hanarenana ny fotodrafitrasa ara-drano sy hanohanana mivantana ny tantsaha. Ho fanampin’izany, ny taom-pambolena 2025–2026 dia hanamafisana manokana ny ady amin’ny valala, amin’ny tanjona hampitomboana avo roa heny ny vokatra sy hiarovana ny fambolena manerana ny nosy.
Toky R
 

Dans la même rubrique

06-mars-2026

ady amin'ny kolikoly ny mpiasa

Card image cap
06-mars-2026

Miverina amin’ny laoniny ny tolona,

Card image cap
06-mars-2026

Niverina ofisialy ny fitrandrahana,

Card image cap
06-mars-2026

natokana ho an’ny sosialy na RSE

Card image cap
06-mars-2026

8 taona sisa navelan’ny voay

Card image cap
06-mars-2026

Miantso vonjy amin’ny fitondràna ireo mponina sy mpiaro zon’olombelona

Card image cap