Nambaran’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana na ny HCC omaly 28 janoary 2025, fa dia mifanaraka amin’ny lalampanorenana ny lalàna laharana 2025-020 momba ny fanamboarana sy famarotanany toA aka gasy manerana an’i Madagasikara. Nisy ny taratasy manontany ny hevitry ny HCC mahakasika ity lalàna 2025-020 ity nataon’ny Filohan’ny fanavaozana ny repoblika ny 17 desambra 2025, raha toa ka ny 18 jona 2025 no lany teo anivon’ny antenimierampirenena izy io ary nankatoavin’ny antenimierandoholona ihany koa ny 2 desambra 2025. Navoitran’ny HCC, fa ny tanjon’ity lalàna ity dia ny hanome sata ara-dalàna ny toaka gasy, amin’ny alalan’ny fametrahana rafitra ara-dalàna momba ny famokarana, ny varotra ary ny fizarana “zava-pisotro misy alikaola novokarina araka ny fomban-drazana malagasy, amin’ny alalan’ny « fermentation » sy/na « distillation » avy amin’ny akora avy amin’ny zavamaniry na tantely” ity. Araka ny andininy faha-19 ao amin’ny Lalàmpanorenana, ny fahasalamana dia zon’ny olon-drehetra ary ny fiarovana ara-pahasalamana dia singa fototra. Araka ny andininy faha-37: “Manome antoka ny fahalalahana ara-barotra ny Fanjakana, saingy ao anatin’ny fetran’ny tombontsoa iombonana, ny filaminam-bahoaka, ny fahamendrehana ary ny tontolo iainana.”, hoy ny fanazavana. Noho izany, satria ny lalàna dia nametraka rafitra fanomezan-dalana mialoha ny famokarana, nanara-maso ny akora ampiasaina, nanapa-kevitra hanara-penitra ny fomba famokarana, ary nampiditra fitsipika ara-pahasalamana hafa izay fehezin’ny ministeran’ny fahasalamam-bahoaka, anisan’izany ny famerana ny tahan’ny alikaola ho 44% ambony indrindra, dia mametraka fepetra ampy hiarovana ny mpanjifa izany. Nambara fa manambatra ny fiarovana ny fahaiza-manao nentin-drazana malagasy sy ny fahalalahana ara-barotra, miaraka amin’ny fiarovana ara-pahasalamana sy ny filaminam-bahoaka. Nekena ho manan-kery noho izany ny fangataham-panazavana nataon’ny Filoha, nekena ho manan-kery ny lalàna laharana 2025-020 momba ny famokarana sy ny varotra ny toaka gasy. Hampahafantarina ny Filohan’ny Filohan’ny fanavaozana ny Repoblika, ny Filohan’ny Antenimierampirenena, ny Praiminisitra Lehiben’ny Governemanta, ary ny Filohan’ny Antenimierandoholona vonjimaika, ary havoaka ao amin’ny gazety ofisialin’ny Repoblika ny fanapahan-kevitra, araka ny didy navoakan’ny HCC. Tsara ny manamarika, fa isan’ny manana ny lanjany ara-toekarena izy ity noho ny fisiana Malagasy maro manao asa fihariana aminy. Mifamatotra ihany koa amin’ny kolontsaina Malagasy na an-karatsiana na an-kafaliana,…
Toky R