airtel

Actualités

12-févr-2026

Famonjena traboina sy

fanarenana ny tanàna Zandary 100

Sample post image

andiany voalohany nalefa any Toamasina

12-févr-2026

Manoloana ny fahavoazana nateraky ny rivodoza tany Toamasina, nandray andraikitra avy hatrany ny Zandarimariam-pirenena amin’ny famonjena ireo traboina sy fanarenana ny tanàna. Andiany voalohany misy Zandary 100 no nalefa omaly tolakandro hanampy ny vahoaka sy hanamafy ny asa fanarenana. Ny fandraisana andraikitry ny Zandarimaria dia mifanaraka amin’ny fanamby navoaka tamin’ny fikaonandoha farany: « Zandary manakaiky vahoaka, miaro sy manampy amin’ny fotoan-tsarotra. »Asa sy andraikitra hosahanin’izy ireo ny famonjena sy fanampiana traboina: hanampy ireo mponina voakasiky ny loza. Fanarenana tanàna rava: hifanome tanana amin’ny fanamboarana sy fanarenana fotodrafitrasa. Fiarovana sy filaminana: hanamafy ny fisian’ny Zandarimaria amin’ny fitandroana ny filaminana sy ny fiarovana ny fananan’ny vahoaka, indrindra manoloana ny mety hisian’ny mpanararaotra amin’ny fiparitahan’ny entana. Efa nampitondraina sakafo manokana (ration de combat) ireo Zandary mba tsy ho vesatra amin’ny mponina eny an-toerana. Nentina ihany koa ny fitaovana ilaina amin’ny asa fanarenana sy fanampiana. Zandary 11 amin’izy ireo no hanokana ny asany amin’ny fanarenana ny Tobin’ny Zandarimaria izay simba vokatry ny rivodoza. Ny fandraisana andraikitry ny Zandarimariam-pirenena dia porofo fa mijoro ho mpiaro sy mpanampy ny vahoaka izy ireo, indrindra amin’ny fotoan-tsarotra. Tsy vitan’ny hoe mitandro ny filaminana, fa mandray anjara mivantana amin’ny fanarenana sy fanomezana fanantenana ho an’ny mponina voakasiky ny loza.
Toky R

 

Dans la même rubrique

17-avril-2026

Nofoanana tamin’ny taona 1973

Card image cap
17-avril-2026

Tsy mampandeha amin’ny laoniny ny fanavaozana ny tsy fandriampahalemana»

Card image cap
17-avril-2026

fifamonoana sy fifanimbàna»

Card image cap
17-avril-2026

ivelany mafy tsy voafehintsika»

Card image cap
17-avril-2026

hanaraha-maso ireo faritra arovana

Card image cap
17-avril-2026

hahazo tombony amin’ny tetikasa D-CLIC

Card image cap