airtel

Actualités

16-juil-2021

Actualités

Famonoana alika faobe 104 no indray naripaka tany Madirovalo

Sample post image

Nanatanteraka hetsika famonoana alika mpirenireny ny mponina tao Madirovalo ny alarobia 14 jolay lasa teo, niaraka tamin'ireo Veterinera tao an-toerana. Famonoana faobe io,

16-juil-2021

ka miisa 104 ny alika novonoina nandritra izany, izay hita nirenireny manodidina ny bazary. Izao no natao, hoy izy ireo, dia mba ho fiarovana amin'ny haromontana ary mbola hitohy ny asa. Maro ny soso-kevitra mivoaka eo anatrehan’ity zavatra natao tany Madirovalo ity, fa tokony hanaovana tahaka izao ihany koa eto Antananarivo. Ho an’ny Renivohitr’I Madagasikara dia tafiditra ao anatin’ny Fitsipika mifehy ny ara-pahasalamana sy ara-pidiovana (CMH) izay niteraka adihevitra goavana ny fampandoavana lamandy ho an’ireo alika mivovo manakorontana manakotaba ny fiarahamonina. Mety ho manampy amin’ny fandriampahalemana anefa ireny, fa ny tena angatahan’ny olona dia hamonoana ireo alike mpirenireny fotsiny mandoto tanàna.
Toky R
 

Dans la même rubrique

25-avril-2024

Ahiana hisy rivo-doza hiforona hanakaiky an’i Madagasikara ato ho ato.

Card image cap
25-avril-2024

Nankatoavin'ny ny Filan-kevitry ny Minisitra omaly 24 aprily 2024 ny hanaovana lavanty

Card image cap
25-avril-2024

Vehivavy kely iray vao 29 taona antsoina hoe : Bezafy Armella omaly Alarobia 24 Aprily no fantatra fa maty

Card image cap
25-avril-2024

20 tapitrisa Ar be izao no saran’ny fampodiana ny vatana mangatsiakan’i Rasoarimalala Antoline,

Card image cap
25-avril-2024

Nampiana ny isan’ny polisy monisipaly sy ny mpamonjy voina hiasa eto Antananarivo renivohitra.

Card image cap
24-avril-2024

Anisan’ireo tazana tetsy Besarety tao anatin’ilay atrikasa nataon’ireo mpahay lalàna,

Card image cap