airtel

Actualités

16-avril-2021

Actualités

Famononoana tovovavy 26 taona Kaomorianina iray nidoboka eny Antanimora

Sample post image

Tovovavy iray antsoina hoe : Dinamalala izay vao 26 taona monja no maty novonoin’ny sakaizany ny volana Febroary lasa teo tany Carion.

16-avril-2021

 

 

 

Tao Betampona Carion no nitrangan’izany ka ny vatana mangatsiakan’ity tovovavy ity sisa no hita. Noho ny ezaka nataon'ny zandary ao amin'ny « poste avancé » any an-toerana dia, voasambotra ny alahady 12 aprily teo, teny Mahamasina, ny tovolahy iray teratany Kaomorianina antsoina hoe : Ainour Mohamed Djamalidine izay naman’ny sakaizan’ity tovovavy ity. Ity farany kosa dia efa voasambotra andro vitsy taorian'ny nahitana ny razana ka izy indray avy eo no nanoro ity kaomorianina ity. Raha ny fantatra moa dia tompon’andraikitra amina "salle de musculation" iray, ao amin'ny Gymnase Mahamasina ity teratany vahiny ity. Tamin'ny famotorana natao azy dia tsy niaiky mihitsy izy fa nandray anjara tamin'ny famonoana an'ilay tovovavy. Voamarina ihany koa fa nisy namany roalahy nanao saron-tava niara-nanatanteraka io heloka bevava io taminy. Na izany aza, tsy nety nanoro ireo roalahy ireo izy. Niatrika fampanoavana ny talata teo i Ainour ka naiditra am-ponja vonjimaika eny Antanimora. Resa-pitiavana moa no nahatonga ity vono olona mahatsiravina ity. Teny Antanimena no nahitana an'i Dinamalala farany ary tao amina trano haolo iray, anaty alaala, teny Betampona Carion izy no hita efatra andro taty aoriana. Efa somary simba ny razana nandritra izany.

Pati

 

Dans la même rubrique

25-avril-2024

Ahiana hisy rivo-doza hiforona hanakaiky an’i Madagasikara ato ho ato.

Card image cap
25-avril-2024

Nankatoavin'ny ny Filan-kevitry ny Minisitra omaly 24 aprily 2024 ny hanaovana lavanty

Card image cap
25-avril-2024

Vehivavy kely iray vao 29 taona antsoina hoe : Bezafy Armella omaly Alarobia 24 Aprily no fantatra fa maty

Card image cap
25-avril-2024

20 tapitrisa Ar be izao no saran’ny fampodiana ny vatana mangatsiakan’i Rasoarimalala Antoline,

Card image cap
25-avril-2024

Nampiana ny isan’ny polisy monisipaly sy ny mpamonjy voina hiasa eto Antananarivo renivohitra.

Card image cap
24-avril-2024

Anisan’ireo tazana tetsy Besarety tao anatin’ilay atrikasa nataon’ireo mpahay lalàna,

Card image cap