airtel

Actualités

18-juil-2024

Fampandrosoana lovain-jafy na « ODD »

Mampiteny ny moana ny tsy fahombiazan’i Madagasikara

Sample post image

Nanamafy ny fandraisany anjara tao amin’ny « Forum des Nations Unies sur le Développement Durable »

18-juil-2024

na ny Atrik’asan’ny Firenena Mikambana mikasika ny fampandrosoana lovain-jafy nanomboka ny 8 hatramin’ny omaly 17 jolay i Madagasikara, tamin’ny alalan’ny delegasionina notarihin’ny Minisitry ny raharaham-bahiny Rtoa Rafaravavitafika Rasata sy ny Minisitry ny tontolo iainana Atoa Max Andonirina Fontaine. Anisan’ny nanamarika an’io ny fandraisana anjara tamin’ny fihaonana ara-politika avo lenta na FPHN 2024, izay tanjona dia ny hijerena ny vina napetraka amin'ny fampandrosoana Lovainjafy (ODD) izay noraisina tamin'ny 2015 kendrena ho tanteraka amin'ny 2030. Raha tsiahivina, dia miisa 17 ny tanjon’ny ODD, fa ny noresahana tao anatin’ity FPHN 2024 ity dia ny ODD 1 : Tsy hisy intsony ny fahantrana ; ODD 2 : Tsy hisy mosary ; ODD 13 : Ady amin'ny fiovan'ny toetrandro ; ODD 16 : Fandriampahalemana, rariny ary rafi-pitondrana mahomby. Ny lohahevitra amin’ity taona ity rahateo dia ny hoe : « Manamafy ny drafitra 2030 sy mamongotra ny fahantrana amin'ny fotoan'ny krizy marolafy ». Madagasikara dia miezaka hampihatra ny fampanantenany amin'ny hetsika azo tsapain-tanana, ka mandray anjara amin'ny fananganana tontolo iainana ara-drariny sy maharitra ho an'ny taranaka ho avy, hoy ny firesaky ny fitondrana. Tsara anefa ny mampahatsiahy, fa tena marefo isika amin’ny fanatrarana ny tanjon’ny ODD, ary tsy ho tratra hatramin’ny 2030 mihitsy io hatreto ho an’i Madagasikara. « Marefo ny fivoarana ho an’i Madagasikara. Efa ho sivy taona izao no lasa hatramin'ny nandraisana ny Tanjona ho an'ny Fampandrosoana Lovainjafy (ODD). Hiviny kely ny fivoarana ho an’i Madagasikara. 36 % amin'ny ODD no mihemotra na vao mainka niiba, 54,7 % no miato. Vitsy ihany, 9,4 % amin'ny ODD no vita na manakaiky ny fahavitana», hoy Rtoa Natasha Van Rijn, solontena maharitry ny Fandaharan'asan'ny Firenena Mikambana ho an'ny Fampandrosoana (PNUD) ny aprily 2024 lasa teo. Raha mandray ny ODD 2 ohatra dia iny voasokajy ho firenena faha-124 amin’ny 125 mosarena indrindra isika, ny ODD 3 mikasika ny fisitrahana fahasalamana dia tsy mbola amin’izany ; ny ODD4 mikasika ny fisitrahana fampianarana ara-kalitao dia vao mainka mihemotra ; ODD 7 mikasika ny fisitrahana angovo araka ny tokony ho izy, dia zava-doza no misy eto ; ODD 8 mikasika ny fananan’asa tena mbola lavitry ny kitay ny afo,…
Toky R

 


 

Dans la même rubrique

14-mars-2025

Misy ifandraisany ny firongatry ny tsy fandriampahalemana sy ny fitotongan’ny

Card image cap
14-mars-2025

Manizingizina sy manenjan-tsandry ny Fanjakana, fa eo amin'ny tanim-panjakana no nisy ireo trano

Card image cap
14-mars-2025

Nivory teto Antananarivo omaly 13 martsa ny IPAM na Ivom-Panajariana an’Antananarivo sy ny Manodidina,

Card image cap
14-mars-2025

Efa tena mihatra amin’ny ain’ny mpiasa taorian’ny COVID 19 ny fijaliana,

Card image cap
14-mars-2025

Velon-taraina amin’izao fotoana izao ny ankamaroan’ireo mpamokatra sy mpivarotra

Card image cap
14-mars-2025

Hiditra an-tanety anio Zona 14 Martsa alina na rahampitso Sabotsy 15 Martsa

Card image cap