airtel

Actualités

03-juin-2026

FAMPANDROSOANA LOVAIN-JAFY

Ny Kristiana no tena tokony

Sample post image

hitondra izany hoy ny Madagascar 3 M

03-juin-2026

Ny Kristiana no tena tokony hitondra ny fampandrosoana lovain-jafy hoy ny Madagascar 3 M tarihin-dRavoahangy Faly mpitandrina. Ny Kristiana mantsy hoy hatrany izy no tokony hitondra fiovana eto amin'ny firenena sy hanova ny fiaraha-monina misy azy. Nisy ny tafa nokarakarain'izy ireo tamin'ny mpanao gazety omaly ka nivoitra nandritra izany fa hanam-bahiny ny Madagascar 3 M ny 10 ka hatramin'ny 13 Jona ho avy izao. Ho avy eto Madagascar ny talen'ny Union School of Théologie avy any Royaume Uni. Ankoatra ny fampandrosoana ny asan'Andriamanitra dia hisy ny kaonferansa telo sosona izay hotanterahin'izy ireo. Kaonferansa natokana ho an'ireo mpandraharaha Kristiana no hisantarana izany ny 11 Jona ho avy izao izay tsy mivoana amin'ny fampandrosoana an'i Madagasikara sy ny fitoriana ny filazantsara. Ho an'ny mpitandrina rehetra kosa indray ilay kaonferansa faharoa ao anatin'ilay loha-hevitra hoe : Fahano ny ondriko ka olona maherin'ny 4.000 isa no andrasana ho avy amin'izany. Fahatelo sady farany dia ny fanofanana ireo mpitarika eto Antananarivo renivohitra sy ny manodidina arahin'ny famoahana ireo mpianatra nivoaka tao amin'ny Union School of Théologie.
Pati
Légende : Ravoahangy Faly, tompon'andraikitra voalohany ao amin'ny Madagascar 3 M !
 

Dans la même rubrique

10-sept-2026

Miahiahy sy miampanga olom-boafidy TGV ireo voakasika

Card image cap
10-sept-2026

tokony hahintsy ny fifidianana!»

Card image cap
10-sept-2026

ny volan’ny orinasan-dRajoelina

Card image cap
10-sept-2026

Niseho tamin’ny alalan’ny « visioconférence »

Card image cap
10-sept-2026

Hovitaina mialohan'ny faran'ny taona

Card image cap
09-sept-2026

rano fisotro madio tsy tapaka ny fanjakana

Card image cap