omaly raha niresaka momba ny fandraisan’andraikitry ny olom-pirenena tsirairay avy amin’ny fanasoavana ny mpiara-belona izy. Vola, vola, vola hatrany hoy izy no resahina izay vao hihetsika nefa tsy izay no lalana. Ny fandraisan’andraikitra no tena ilaina fa raha manana izay toe-tsaina izay avokoa ny rehetra dia ho tafavoaka ny firenena. Ho azy manokana dia nohantitranteriny fa tsy hiandrasany teti-bola ireo karazana hetsika tanterahiny ao amin’ny Fokontany hiadidiany. Ny olona no harena hoy Rafanomezantsoa Jean Nirina ka rehefa miezaka ny mikarakara sy mifanampy amin’izy ireny dia tsy maintsy mandroso foana. Efa fantatr’ity sefom-pokontany iray ity avokoa moa ireo maharary ny mponina ao aminy toy ireo trano miorina eny ambony lakan-drano, ny lakan-drano tsentsina, ny hamaroan’ireo sahirana tsy misy mpiahy….izay tsy hiandrasany teti-bola fa hirotsahany an-tsehatra avy hatrany miankina amin’ny eo am-pelatanany. Efa nisy ohatra omaly ny fanentanana ny mpivady mba hampiasa ny fomba fandrindram-piainam-pianakaviana hisorohana ny fiterahana maro loatra izay mety hahafaty ny Reny no sady mampitontongana ny fiainan’ilay fianakaviana. Voakasik’izany ihany koa ireo tanora lahy sy vavy efa mahalala firaisana.
Pati
Legende : Rafanomezantsoa Jean Nirina, sefom-pokontany Anosizato Est I, sady filoha nasionalin’ny fikambanana HAFARI Malagasy !
dia anisany ny angovo sy herinaratra, saingy mbola mitoetra ho tsizarizary ny fisitrahan’ny
Tsy misy tsy mikolay amin’ny faharatsian’ny tolotra mikasika ny angovo sy herinaratra eto Madagasikara,
Nisy ny firehetana tamina fivarotan-kazo iray teny Tsarahonenana ny 27 may teo,
Tena mampitaraina mpanjifa maro ny fotoana lany amin'ny fandoavana ny vidin-jiron'ny JIRAMA
Rongony 42 kitapo no tratran'ny Polisim-pirenena tao Ihosy,
Ny 28 may vao notontosaina tetsy amin’ny zaridainan’Antaninarenina ny fankalazàna ny