airtel

Actualités

12-déc-2025

Fampiakarana ny

« droit d'accise » alaina amin'ny labiera

Sample post image

Tandindonin-doza ireo tantsaha

12-déc-2025

mivelona amin'ny fambolena orge »
Efa ho 50 taona mahery izay no nisian’ny MALTO, sampana an’ny orinasa STAR sady ivon-toerana voalohany sy tokana manodina orge eto Madagasikara, izay miara-miasa amin’ireo tantsaha an’aliny. Io fiaraha-miasa io dia iorenan’ny famokarana vokatra 100% malagasy. Ny orge avadika ho « malt », no akora fototra amin’ny fanamboarana labiera fanta-daza toy ny THB sy GOLD. Tamin’ity taona ity, tantsaha mihoatra ny 20 000 no nahazo tombontsoa tamin’ity sehatra tsy dia mahazatra kanefa tena mampandroso ny toekarena malagasy ity. Nanamarika ny taona 2025 ny habetsahan’ny orge noraisin’ny MALTO tany amin’ireo Faritra iadiadiany toy ny tao Vakinankaratra, Amoron’i Mania ary Matsiatra Ambony.Maherin’ny 11 300 taonina ny orge voaangona tamin’ity taona ity izay fanangonana betsaka indrindra natao hatramin’izay. Ny mampalahelo anefa dia tandindomin-doza ity asa fihariana iray izay mamelona olona maro ity. Noho ny hetra tsy mifandanja no antony mahatonga izany. Niakatra izaitsizy ny droit d’accise » amin’ny labiera. Efa ho 293% izany tao anatin’ny 5 taona. Miteraka fiakaran’ny vidin’ny zava-pisotro izany, kanefa ny fahefa-mividin’ny mpanjifa dia voafetra tanteraka. Ny fihenan’ny fanjifana dia miteraka fatiantoka lehibe ho an’ny tantsaha, ary manambana ny asa an’arivony, mivantana sy tsy mivantana, ao anatin’ny sehatry ny famokarana labiera eto Madagasikara.
Pati
Légende : Miezaka mamokatra hatrany ireo tantsaha mpamokatra orge !
 

Dans la même rubrique

17-avril-2026

Nofoanana tamin’ny taona 1973

Card image cap
17-avril-2026

Tsy mampandeha amin’ny laoniny ny fanavaozana ny tsy fandriampahalemana»

Card image cap
17-avril-2026

fifamonoana sy fifanimbàna»

Card image cap
17-avril-2026

ivelany mafy tsy voafehintsika»

Card image cap
17-avril-2026

hanaraha-maso ireo faritra arovana

Card image cap
17-avril-2026

hahazo tombony amin’ny tetikasa D-CLIC

Card image cap