airtel

Actualités

27-janv-2025

Fampiakarana ny vidin’ireo fahana kikisana

Mitady ho lasa fomba amam-panaon’ireo mpivarotra

Sample post image

Velon-taraina ankehitriny ireo mpanjifa fa mitady ho lasa fomba amam-panaon’ireo mpivarotra

27-janv-2025

isan-tokony ity fampiakarana ny vidin’ireo fahana kikisana ampiasaina amin’ny finday ity. Na ny eny amin’ireo fivarotana enta-madinika na «épicerie», na eny amin’ireo tena toeram-pivarotana natokana ho azy ireny, izany hoe, «Cash point», dia ahitàna izany fampiakaram-bidy izany avokoa na dia efa misoratra mazava amin’ireo fahana aza ny tena vidin’ilay fahana. Raha 1000 Ariary no vidiny voasoratra dia lazain’ireo mpivarotra fa 1100 no tena vidiny, hoy ny fitarainan’ny tovovavy iray. Raha 2000 dia lazainy fa 2100. Misy sahy manao 2200 mihitsy aza. Ankoatran’ny fiandrasana ny fanaraha-maso sy fandraisana fepetra avy amin’ireo tomponandraiki-panjakàna toy ny ao amin’ny minisiteran’ny varotra sy fanjifàna moa dia andrasana koa ny fanazavàna mikasika ny anton’izany avy amin’ireo orinasam-pifandraisan-davitra.
Nangonin’i J. Mirija
 

Dans la même rubrique

28-mai-2025

Tafiditra ao anatin’ny Travel Green List 2025 navoakan’ny Wanderlust Travel Magazine i Madagasikara.

Card image cap
28-mai-2025

Homarihina amin’ny 26 Jona ho avy izao ny faha-65 taona nahazoantsika ny Fahaleovantena.

Card image cap
28-mai-2025

Fivarotan-kazo iray no niantombohan’ny afo, niitatra tamin’ny trano lehibe roa sy trano hafa.

Card image cap
28-mai-2025

Nampalahelo sady nampivarahontsana ny zava-nitranga tao Toamasina omaly.

Card image cap
27-mai-2025

Nangotraka ny fahatezeram-bahoaka teto Antananarivo ny herinandro lasa teo,

Card image cap
27-mai-2025

Tsy misy izay tsy mitaraina sy mimenomenona ny amin’ny fanapahan-kevitry ny

Card image cap