airtel

Actualités

26-déc-2024

Fampianarana sy politika

Nodimandry ny Pr Manantsoa Victor

Sample post image

Nodimandry ny talata 24 desambra 2024 teo teny amin’ny Hopitaly Miaramila Soavinandriana ny Pr Manantsoa Victor.

26-déc-2024

Fantantatra tamin’ny tontolon’ny fampianarana, fa isan’ny nahalalana azy betsaka ihany koa ny tontolon’ny politika toy ny naha minisitra azy ka nitantanany ny Minisiteran'ny Fampianarana teknika tamin’ny andron’ny Pr ZAFY Albert, Coordinateur Général de la police Nationale tamin’ny andron’ny Minisitra an'i AMAD Augustin. Efa minisitry ny Fifandraisana eo amin'ny Andrimpanjakana tamin’ny tetezamita ny 2009. Izy ihany koa no isan’ny nanorina na « fondateur » ny ENI (École Nationale des Informatiques) ao Fianarantsoa, Fondateur PDG Institut National des Sciences Comptables et l’Administration d'Entreprises (INSCAE),... Anisan'ireo Malagasy namiratra tany Eoropa ka nahavita ny Doctorat d'Etat en Informatique voalohany taty Afrika, notazonin'ny Fanjakana frantsay, nomena toerana ambony tany Frantsa. Tamin'ny fiandohan'ny taona nitondran' Atoa Ratsiraka Didier Filoham-pirenena dia nitady teknisiana manam-pahaizana hampandroso ny Firenena ka dia nafarana manokana tany Frantsa ka nanaiky ny hody hampandroso ny Firenena noho ny fitiavan-tanindrazana izy, hoy ny fampahatsiahivana. Olon'ny Fampihavanam-pirenena Pr Manantsoa Victor, tao an-tranony niandohan'ny tondrozotra na « Feuille de route » tamin’ny tetezamita, niara-niasa akaiky tamin’ny Pr ZAFY Albert. Niketrika ny Raiamandren Vondron' Olonkendry (Comité des Sages), efa tao anatin’ny Vondron’ny mpanohitra RMDM, Mpikambana amin’ny Hetsika Fampiraisana ny Kristianina hoan'ny Firenena (HFKF),… Hiala eto Antananarivo anio Alakamisy ny nofo mangastiakany, mandalo ao amin’ny ENI Fianarantsoa, ary hoentina any Vohimasy Farogny Manakara. Mirary fiononana feno ho an’ny Fianankaviany manontolo isika eto amin’ny Tia Tanindrazana.
Toky R

 

 

 

 

 

Toutes les réactions :
4545

 

Dans la même rubrique

13-juin-2025

Nanokatra ny fampiratiana ara-pizahatany ITM (Iternational Tourism Fair) andiany faha-11 ny filoha ankehitriny Andry Rajoelina omaly.

Card image cap
13-juin-2025

Anisan’ny navoitran’ny Praiminisitra Ntsay Christian omaly teny amin’ny Antenimierampirenena ny hoe :

Card image cap
13-juin-2025

Renim-pianakaviana iray monina eny Fenoarivo Atsimondrano eny no fantatra

Card image cap
12-juin-2025

Na ny ao amin’ny JIRAMA aza izao izany dia milaza fa hatramin’ny faran’ny taona

Card image cap
12-juin-2025

Manamafy avo roa heny ny fahamailoana ny SAMIFIN izay sampan-draharaha misahana

Card image cap
12-juin-2025

Lany teny anivon'ny Antenimieram-pirenena ny tolo-dalàna miaro manokana ireo varira

Card image cap