airtel

Actualités

23-juil-2026

Fampianarana teknika Toamasina

Fiaraha-miasa, asa ary fanarenana maro no vita

Sample post image

Fotoan-dehibe ho an’ny sehatry ny

23-juil-2026

fampianarana teknika sy fanofanana arak’asa ho an’ny faritra Atsinanana ny 16-17 jolay 2026 teo. Natolotra tao amin’ny PACT Toamasina ny fanohanana avy amin’ny SPAT, notarihin’ny Tale Jeneraly Randriambahoaka Heritiana, ho fanarenana ireo ivon-toeram-panofanana voadona tamin’ny rivodoza Gezani. Tafiditra amin’izany ny DRETFP Atsinanana, ny LTP Toamasina ary ny CFP Toamasina. Nanamafy ny Minisitra Todisoa Andriamampandry fa zava-dehibe ny fanamafisana ny 3P (Partenariat Public-Privé) amin’ny fanofanana tanora sy mpiasa. Ny tanjona dia ny hampifanaraka ny fahaiza-manao amin’ny filàn’ny tsenan’ny asa eto an-toerana sy iraisam-pirenena. Nandritra izany no nanolorana mari-piofanana ho an’ireo mpiasan’ny SPAT nahavita fiofanana. Tao amin’ny ivon-toeram-panofanana Don Bosco Mangarano II, nihaona tamin’ireo tanora mandray fiofanana ny Minisitra sy ny ekipany. Nampahatsiahiviny fa ny fahaiza-manao no fototra lehibe ho an’ny fahaleovantena ara-toekarena. Ny voaofana dia afaka miasa amin’ny maha-teknisianina, mamorona asa ho an’ny tenany, na miditra amin’ireo sehatra matihanina mitaky fahaiza-manao manokana. Tao aorian’ny faritra Diana, dia notanterahina ihany koa ny fanolorana taratasy fifanarahana ho an’ireo mpampianatra « vacataires » noraisina ho mpiasam-panjakana raikitra ao Atsinanana sy Analanjirofo. Nanolotra izany ny Minisitra notronin’ny Filoha Lefitry ny Antenimieram-pirenena sy ireo manampahefana maro. Tafiditra amin’ny fanoloran-tenan’ny Governemanta amin’ny fampanjakana ny mangarahara sy ny fitantanana tsara izany. Ny 17 Jolay 2026 kosa no nitokanana tamin’ny fomba ofisialy ny LTP Toamasina nohavaozina taorian’ny fahasimbana nateraky ny rivodoza Gezani. Nandritra io no nanolorana fitaovana hanohanana ny fampandehanana ny LTP. Nambaran’ny Minisitra fa hitohy hatrany ny asa fanatsarana miaraka amin’ireo mpiara-miombon’antoka. Hojerena akaiky ny fanavaozana ny LTP Vatomandry ho fanitarana ny tolotra fanofanana. Ny hetsika rehetra dia maneho ny finiavana hanamafy ny kalitaon’ny loharanon’olombelona sy ny fanofanana teknika ho fototra ho an’ny asa sy ny fampivoarana ara-toekarena.
Toky R

 

Dans la même rubrique

23-juil-2026

Mitohy hatrany toa manao tohivakana

Card image cap
23-juil-2026

sisa ny vokarin’Andekaleka

Card image cap
23-juil-2026

Fotoana tena fikaraman'ny mpampanofa

Card image cap
23-juil-2026

Hiara-hiasa hifanohana amin'ireo ankizy tratry ny homamiadana

Card image cap