Manana fahafahana ianareo hanolotra volavolan-dalàna, fa nahoana no tsy ataonareo izany?” hoy ny Praiminisitra Herintsalama Rajaonarivelo nanentana ny solombavambahoaka mba handray andraikitra manoloana ny fiparitahan’ny fiviliana amin’ny kabary eny anaty tambajotra sosialy. “Ianareo no misolo tena ny vahoaka Malagasy. Izahay dia teknisiana, eto izahay hanatanteraka iraka. Fa ianareo kosa, ento ny volavolan-dalàna momba ireo tambajotra sosialy ireo,” hoy izy nanentana, raha namaly fanontanian’ny solombavambahoaka voafidy tao Toamasina, Roland Ratsiraka, tao Tsimbazaza ny herinandro teo. Fangatahana nataon’i Roland Ratsiraka ny mba hirotsahan’ny governemanta manoloana izay niantsoany hoe kabary feno fankahalana hanoherana sy hanenjehana ny vahiny eny amin’ny tambajotra sosialy. Mahita eny amin’ny tambajotra sosialy isika olona mitsangana hanaratsy ny Sinoa, ny ‘Karana’, ny Frantsay, nefa fantatsika fa izy ireo no laharana voalohany amin’ny sehatra iasany tsirairay ary manome asa ho an’ny Malagasy sy mamorona harena, raha ny fanamarihan’io depiote io, ka nilazany fa mila firaisankina isika ary tsy tokony hanaratsy na hanararaotra ireo olona mamorona asa. Niaiky kosa ny Praiminisitra fa tena misy fihoaram-pefy amin’ny tambajotra sosialy noho ny fiparitahan’ny teny mamoafady, faniratsirana, fanaratsiana, fitsarana mialoha ary fitsarana tsy am-piheverana. Nampalahelo azy fa mihamaro hatrany eny amin’ny tambajotra sosialy ny olona mitsara ny hafa amin’ny fototra ara-pivavahana, fiaviana, na hevitra, ka nanehoany fa ny olona dia tokony hotsaraina amin’izay nataony ihany, fa tsy amin’ny endriny na amin’ny finoany. Nanokatra adihevitra moa io ary betsaka no mandrirotra izany any amin’ny hoe : hifehy sy hangeja ny facebook ve izany ny Fanjakana ? Hangeja ny demokrasia sy ny fahalalahana hiteny ? Na tiana aloha na tsy tiana, tsy takona hafenina ny fandikan-dalàna, ny fanalam-baraka, ny fanosoram-potaka, ny fitenenan-dratsy, ny fiezahana hamotika olona amin’ny alalan’ny tambajotran-tserasera hampiasana kaonty tsy tena izy na « compte fake »,…
TSY MIDIKA HO JADONA NY ADY AMIN’NY TSY FANARAHAN-DALANA…
Tsy eto Madagasikara ihany no misy facebook fa efa fampiasa eran-tany na « Universelle » ka tsy resaka fangejana ny Facebook araka ny famadihan-dresaka iniana ahely ny mety ho fisiana fandraisana andraikitra. Lasa misy manafangaro ny fahalalahana sy ny demokrasia amin’ny gaboraraka,... izay tena mila fepetra hentitra sy fanintsiana, ary arofanina. Mila fahaiza-mandray sy fari-pahatakarana ihany koa satria tena betsaka amin’ireo zavatra mamoafady, fanaratsiana sy fanasorom-potaka olona,… no tonga dia mandaitra avy hatrany amin’ny mpampiasa tambajotran-tserasera. Rariny raha misy mazava ho azy ny fandraisana andraikitra, tsy tokony horaisina sy hadika velively ho jadona sy fangejana fa tena misy fepetra mila raisina mba tsy hamotika fiarahamonina sy hampiteraka fisaraham-bazana, fambolena toe-tsaina mirefarefa, ary kolontsain’ny gaboraraka. Ny 06 desambra no nilazan’ny Filoha Randrianirina Michael, fa malalaka ny fanehoan-kevitra ary manome fahalalahana ny fitondrana, saingy nampahatsiahy fa misy ny lalàna momba ny heloka an’habaka na « cybercriminalité » eo anatrehan’ny fandikan-dalàna sy fihoaram-pefy.
Toky R
Tsy mampandeha amin’ny laoniny ny fanavaozana ny tsy fandriampahalemana»