Ao anatin’ny volana natokan’ny ministeran’ny tontolo iainana sy ny fandrosoana lovain-jafy hanaovana hetsika fikolokoloana sy fanaraha-maso ny fambolen-kazo, ny fitaleavam-paritry ny tontolo iainana sy ny fandrosoana lovainjafy Analamanga (DREDD Analamanga), izay notarihin’ny talem-paritra dia nanatanteraka fanaraha-maso sy fikolokoloana ireo hazo novolena teny amin’ny distrikan’Ambohidratrimo, Kaominina Anjanadoria, fokontany Madiorano, sy kaominina Ampanotokana, fokontany Antsaonjomanga sy Ambaribe ny faran’ny herinandro teo. Fambolen-kazo izay niarahana tamin'ny tetikasa Diabe anatin'ny fandaharan'asa AFAFI centre, izay vatsian'ny vondrona eoropeanina vola, hoy ny fampitam-baovao voaray. 97% ny taha-pahavelomana tamin'ireo hazo izay novolena, izany dia noho ny fiaraha-mientan'ny tekinisian'ny tetikasa sy ny minisitera ary ny fanarahan'ireo mpamboly an-tsakany sy andavany ireo tekinika toy ny fanajana ny fotoam-pambolen-kazo, fampiasana ny zezika, fisorohana manodidina ny zana-kazo sy ny maro hafa. Ny tekinika nampiasaina ho an'ny fanomanana sy fiasana tany dia misy karazany 3. Eo ny lavaka na "trouaison", ny fiasana amin'ny angadin'omby na "labour en bande". Ireo fambolen-kazo natao tamin'ny tany nasaina tamin'ny angadin'omby dia nampiarahana ny fanaovana ny ala vadimboly (Système Agroforesterie). Tombontsoa ho an'ireo mpamboly izany satria sady mahazo sakafo izy ireo no voaharo ny voly hazo. Hita fa haingana kokoa ny fitomboan'ireo hazo, hoy hatrany ny fampitam-baovao sy fanazavana voaray.
J. Mirija
dia anisany ny angovo sy herinaratra, saingy mbola mitoetra ho tsizarizary ny fisitrahan’ny
Tsy misy tsy mikolay amin’ny faharatsian’ny tolotra mikasika ny angovo sy herinaratra eto Madagasikara,
Nisy ny firehetana tamina fivarotan-kazo iray teny Tsarahonenana ny 27 may teo,
Tena mampitaraina mpanjifa maro ny fotoana lany amin'ny fandoavana ny vidin-jiron'ny JIRAMA
Rongony 42 kitapo no tratran'ny Polisim-pirenena tao Ihosy,
Ny 28 may vao notontosaina tetsy amin’ny zaridainan’Antaninarenina ny fankalazàna ny