Ka hoy indrindra ny fanazavana .Nisy " Publication" milaza fa nisy ny fifampitifirana ka nahatonga ireo naratra tonga teny amin'ny hopitaly HJRA. Nolazaina ihany koa fa tonga teny amin'ny hopitaly ny Minisitry ny Filaminam-bahoaka sy ny Minisitry ny Fiarovam-pirenena ary ireo Polisy marobe . Toy izao anefa no tena zava-nisy , raha ny fanazavana ofisialy : lozam-pifamoivoizana roa samihafa teny amin'ny lalam-pirenena fahafito no nifanojo tamin'ny lalan'ny Minisitry ny Filaminam-bahoaka. Ny voalohany dia taxi-brousse iray avy aty Antananarivo hizotra ho any Belo sur Tsiribihina no niharan-doza tetsy Anjomakely ka Polisy miisa 02 handeha hamita iraka no naratra tamin'izany . Ny faharoa kosa teny Ambohibao ( commune rurale bongatsara) , lehilahy iray nitondra moto nandona "Borne kilométrique " ary nifatratra tany anaty lavaka niala ny lalana.
Vao nahita ireo lozam-pifamoivoizana ireo ny Minisitry ny Filaminam-bahoaka dia nitondra ireo niharam-boina haingana teny amin'ny hopitaly . Noho ny ratra nahazo ilay lehilahy mpitondra moto dia tsy tana intsony ny ainy, ireo Polisy miisa 02 kosa dia mbola manohy ny fitsaboana azy.
Nangonin’i RTT
Tafiditra ao anatin’ny Travel Green List 2025 navoakan’ny Wanderlust Travel Magazine i Madagasikara.
Homarihina amin’ny 26 Jona ho avy izao ny faha-65 taona nahazoantsika ny Fahaleovantena.
Fivarotan-kazo iray no niantombohan’ny afo, niitatra tamin’ny trano lehibe roa sy trano hafa.
Nampalahelo sady nampivarahontsana ny zava-nitranga tao Toamasina omaly.
Nangotraka ny fahatezeram-bahoaka teto Antananarivo ny herinandro lasa teo,
Tsy misy izay tsy mitaraina sy mimenomenona ny amin’ny fanapahan-kevitry ny